Fahagagana sy Misiona – 002

FIZARANA Voalohany

IREO NOSY

Herim-po sy ireo asa lehibe

Nentina tany Amerika ny vondrona tovolahy pôrtôrikana maro tamin’ny taona 1945 mba hanao fiofanana ao amin’ny tafika. Zara raha mahay miteny anglisy kely ny ankamaroan’izy ireo. Nalahelo ny fianakaviany sy ny nosiny izy ireo, satria nitoetra tany amin’ny toerana hafahafa sy teo anivon’ny olona maro izay tsy hainy akory ny fiteniny. Nahatsikaritra fiangonana kely iray ireto zatovolahy Kristiana tao anatin’io vondrona io, ary fantatr’izy ireo fa afaka mahatsapa ny fifalian’ny Tompo ao izy ireo. Noho izany, nasainy ireo miaramila pôrtôrikana namany mba hiaraka aminy, ary nazava tamin-dry zareo ihany ny fanompoam-pivavahana natao tao amin’ny alalan’ny fandikana teny teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Nanapa-kevitra hanangana “chapelle” ho an’ny tafika ilay mpitandrina raha nahita ny hetahetam-pon’izy ireo ary nanome olona mahay miteny espaniôla azy ireo ihany koa izy. Natao avokoa ny fandaminana rehetra ; naneno ny fifandraisana an-tariby, rehefa vita izany : antso avy any amin’ny Sekoly ara-Baiboly ao Waxahachie, any Texas izay ampianarako. ”…” tsy iza akory ilay niantso ahy fa ny anadahy Ed Anderson, any Mineral Well, Texas. Nanasa ahy izy mba hitondra ny mpianatro sasany ho any amin’ny fiangonan’ny tafika mba hiara-manompo amin’ireo miaramila pôrtôrikana. Efa ho efa-bolana sy tapany izay no nanaovan’ireo miaramila ireo fiofanana nefa tsy mbola nisy fanompoam-pivavahana tamin’ny fitenin’izy ireo mihitsy nandritra izany fotoana rehetra izany.


Namaly izany antson’ny anadahy Anderson izany izahay ka nilaza taminy fa ho avy any amin’ny alahady hariva. Tonga tao an-tanàna izahay tokony ho tamin’ny 5 : 30 hariva teo ho eo ary fiara lihibe telo no nitondra anay sy ireo tanora. Tsapa fa tena feno fifaliana sy mirehitra ho an’ny Tompo tokoa izy ireo. Tsikaritray fa tonga ora iray talohan’ny fiantombohan’ny fivoriana ireo miaramila pôrtôrikana rehetra. Tsapako sahady tamin’iny alina iny fa fiantomboan’ny fifohazam-panahy lehibe ny zava-nitranga rehetra tao am-piangonana, ary hitako fa hanova ny tantaran’ny asa misionera eo amin’ny tanàna manodidina izany.

Nandray anjara avokoa ny tsirairay, tao ny nitarika hira, tao ny nijoro vavolombelona… Tovolahy miaramila sivy ambinifolo no nivondrona ho iray rehefa natao ny antso fanasana ; nankeny aloha ary nanolo-tena ho an’ny Tompo, ary ireo izay tsy afaka nankeny aloha kosa dia nanondrika ny lohany teny an-toerana ihany, ka nivavaka tamin’ny fony rehetra nandritra ny telopolo minitra teo ho eo. Naneno ny lakolosy taorian’izay ary nifarana ny fivoriana.

Nijoro teo am-baravarana izahay rehefa nivoaka avy tao am-piangonana ireo miaramila ireo mba handray tanana sy hanome Testamenta Vaovao amin’ny teny espaniôla azy ireo. Efa Kristiana hatry ny ela ireo tovolahy telo nivoaka farany. Hoy izy ireo rehefa nandray ny tanako : “Any Pôrtô Rikô indray isika mihaona!”

“Any Pôrtô Rikô hoe? ” hoy aho nieritreritra. Tampoka teo anefa, toy ny nahita hazavana lehibe sy famirapiratana tao an-tsaiko aho, ary nitarika ahy hanao asa misionera indray izany. Olona sivy ambinifolo no nanolo-tena ho an’ny Tompo anio alina, ary maro ihany koa ireo izay nangetaheta ka nandohalika sy nivavaka tamin’ny fony manontolo. Tsy misy te ho kivy na ketraka ny rehetra ao anatin’ny vondrona tanora tahaka izao satria samy te hivoaka ho mpandresy avokoa. Tsy olona iray na roa anefa no nalefan’ny tafika mba hihazona ny Nosy iray manontolo ! Tokony ho hendry tahaka izany koa ny olon’Andriamanitra ka handefa olona maromaro indray miaraka mba hanao tafika hihazonana ny toeran’Andriamanitra.

Noho izany, nanapa-kevitra hiresaka amin’Andriamanitra aho mba hanambarako Aminy io vaovao io sy ny fomba hitarihany ahy. Nanolo-tsaina ahy Izy rehefa nivavaka Taminy aho mba hiresaka amin’i Mary Mauldin raha toa ka maniry hiaraka aminay ao amin’ny vondrona tahaka izao izy, mba hiaraka hitory Filazantsaram-pifohazana any Pôrtô Rikô, mandritra ny fotoam-pahavaratra. Faly indrindra izy rehefa nanontany azy aho ka naira-nivavaka tamin’Andriamanitra izahay roa mba hitarihany ny lalanay. Ankoatran’izay, nanolo-tsaina ahy ihany koa Izy mba hitondra ny mpianatro sasany, ary tena nahakasika be ahy mihitsy izany tolo-tsaina izany. Tampifaliana tanteraka no nikarakaran’ny mpianatra ny pasipaoro sy fanamarinam-pahasalamana ary vakisiny nandritra ny fanomanana rehetra. Avy eo, niray saina hivavaka izahay rehetra mba hametraka io “hoavinay izay mbola tsy fantatra” io (izay tolo-tsaina azo avy amin’ny fahitana) eo am-pelatanan’Andriamanitra.

Teo anatrehan’izany, tao ny faly tanteraka noho ny herin’ny finoana tao anatiny, tao ihany koa anefa ny fisavorovoroan-tsain’ireo tanora tsy mahalala ny fomba entina mandanjalanja ny toe-javatra tahaka izao. Nihevitra tanteraka ny sasany fa hitondra ireo mpianatra ireo any amin’ny tany tsy fantatra aho ka mety hitarika anay ho amin’ny fahafatesana sy ny fahafaham-baraka ho an’ny Sekoly aho. Nihevitra angamba izy ireo fa tsy mitàna ny Tenifikasany Andriamanitra : Hoy ny Tompo : “Indro Aho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao” ; Hoy ihany koa Izy : “Ary izay rehetra efa nahafoy trano, na rahalahy, na anabavy na ray, na reny, na vady, na zanaka, na tany noho ny Anarako, dia handray zato heny ka handova fiainana mandrakizay. ” (Matio 19 : 29), ary koa “Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho”. Mbola Mpiandry ahy Izy na aiza na aiza toerana misy ahy.

Nanome toky anay anefa ny anadahy Kendrick fa efa misy toerana iray namboariny ho anay ao amin’ny Sekoly mba hiarovana anay amin’ny hanoanana sy ny fijaliana maro samihafa. Na izany na tsy izany, anisan’ny tompon’andraikitra voalohany amin’ny asa lehibe tahaka izany ny tenany. Tsy efa nampianatra anay va izy fa ny fomba fitorian’i Paoly apôstôly no hafa sy tsara indrindra raha oharina amin’ny fomban’ny fikambanana hafa rehetra? Ary mba te hanandrana izany fomban’i Paoly izany koa izahay.

Nanao famandrihan-toerana teny an-tseranana ary izahay tamin’ny volana Janoary. Lasa ny herinandro sy ny volana maro, ary tonga naka anay ho any amin’ny seranan-tsambo ny fiara lehiben’ny fiangonana “Assemblée de Dieu”, any Dallas- Texas, roa andro taorian’ny fiafaran’ny fianarana.

Tena avy be mihitsy ny orana tamin’ny fotoana nanateran’ny anadahy Putman sy ny namako sy ny zazalahy kely roa sy ny mpamily ary ny anadahy Hott mivady anay ho any an-tseranana. Enina mianadahy izahay no naterin’izy ireo tany amin’ny farihy Louisiana, izay toerana handraisanay sambo. Voatery nijanonjanona matetika izahay noho ny habetsaky ny orana satria tsy hita ny lalana. Niakatra ny rano ary natahorana mihitsy ny hahadifotra ny toerana iva rehetra.

Hoy indrindra ny anadahy Hott tamin’izay : ‘Sao dia tokony hiverina isika, mety tsy sitrapon’Andriamanitra angamba ny andehananareo’? Nefa tsy mba tao am-pon’ireto tanora ireto mihitsy izany hiverina izany ! Nifidy vondron’olona mahery izay afaka maneho fa tsy misy olana lehibe tsy hainy vahana Andriamanitra. Noho izany, nanohy ny dianay izahay, nihira sy nihiaka tam-pifaliana izahay satria mbola nanome tombony ho anay Andriamanitra, dia ny handehananay hiasa ho Azy.

“Tsy mbola nahita vondrona tanora tsy mety reraka mihira tahaka ity aho hatramin’izay niainako. ” Hoy ny anadahy Hott. ”Aiza ve ka raha vao mitady hijanona ny iray dia misy manao hira hafa indray, hany ka tsy te hatory mihitsy aho teo anatrehan’izany rehetra izany”.

Nandeha hatrany izahay nandritra ny alina ary niezaka ho tonga any amin’ny farihy Charles alohan’ny mitataovovonana, alohan’ny hiaingan’ny sambo. Saingy nahatsikaritra izahay rehefa tonga tany fa tsy afaka mameno entana ny sambo noho ny habetsahan’ny rano, hany ka voatery niandry nandritra ny efarana izahay vao afaka nampiditra entana tao anaty sambo ny tompon’andraikitra.

Nanararaotra nitoriteny teny an-dalam-be izahay teo am-piandrasana izany rehetra izany. Indro nisy vahiny iray nahita anay, rehefa nitoriteny izahay, niverina tany amin’ny Hôtely nisy azy izy avy eo ary nanontany ny aminay sy izay ataonay eny an-dalambe. Tsy afa-po tamin’izany anefa izy fa mbola nanontany mpandalo iray hoe : “Iza kay iretsy tanora mijoro etsy amin’ny arabe iretsy? Toa sady miandrandra ny lanitra izy no mihira sy miteha-tanana amin’ny fony rehetra hoe : “Oh, tiako ny hahita Azy? ”

Faly indrindra ilay mpandalo faharoa raha naheno izany fanazavana izany ka nanao hoe : “Aiza no misy azy ireo, aiza? Izany mihitsy izao no tiako sy tadiaviko. ” Nihazakazaka nanatona anay izy. Olona efatra no voavonjy tao anatin’izany fitorianteny an-dalambe izany ary tena tsapanay mihitsy fa mandrotsaka ny fitahiany aminay Andriamanitra mandritra ny dianay rehetra.

Maro ny fivoriana natao tao amin’ny fiangonana isan-karazany, lasa ny efatra andro ary tonga ny ora tsy maintsy handehananay, ary tamin’izay indrindra dia naharay taratasy izahay. Tsy inona akory izany fa taratasy nalefanay ho an’ny miaramila pôrtôrikana iray, izay manazava aminy ny mombamomba ilay sambo handehananay. Niverina taminay anefa io taratasy io ary nisy fanamarihana niaraka taminy fa tsy mipetraka ao amin’io adiresy io intsony ilay miaramila fa nifindra trano ; noho izany, tsy maintsy miverina any amin’ny mpandefa ilay taratasy. Tsy nanana adiresy hafa anefa izahay. Inona àry no atao? Tsy misy afa-tsy ny mandeha ihany ary mametraka fitokisana amin’Andriamanitra fa Izy no hitarika anay …. Ary izany no nataonay.

Niondrana an-tsambo izahay enina mianadahy tamin’ny 4 desambra 1946, tokony tamin’ny 11 ora teo ho eo : Sadie Henderson, Mary Mauldin, Louise Stolwell, Verlin Sterwart, Benny Walker ary ny tenako Jane Collins.

Nisy fitaovana maromaro ihany koa niaraka taminay, toy ny vata fitondra mandeha(valise), fanamiana maro samihafa, kidoro, lay, fanilo (torche), fakantsary, trakta, fihirana, sakafo anaty boaty ary angorodaona iray ! Vonona handeha na aiza na aiza izahay hanao izay azonay atao rehetra, eny, na dia hatorianay eny ambanin’ny hazo aza izany.

Indro anefa fa tsy nety nihetsika ny sambo rehefa tafaondrana avokoa ny rehetra ary efa vonona ihany koa ilay sambo. Lasa ny ora iray nefa tsy nisy nahalala ny antony tsy nety nandehanan’ny sambo ny rehetra. Tampoka teo, indro tazanay nihazakazaka mafy izaitsizy tery amin’ny tafian’ny sambo i Milus Bradey, anisan’ny mpianatra namanay. Tsy mba nisy olona nikopakopa-tanana hanao veloma anay teo an-tseranana, I Millus kosa anefa niezaka tanteraka ho tonga hanotrona anay teo.

Mbola afaka niresaka taminy nandritra ny minitra vitsivitsy izahay, naneno ny kiririoka avy eo, niodina ny sambo ary lasa. Niara-nihira tamin’i Milus izahay raha mbola tazanay izy : “Homba anao anie Andriamanitra mandra-pihaonantsika indray”. Mahatoky Andriamanitra ka afaka mandray an-tanana ny zavatra rehetra, eny, na dia ny antsipiriany aza. Niainga izahay, ary vonona hiatrika tantara vaovao miaraka amin’ny Tompo.

Hitohy …