Fahagagana sy Misiona – 005

FIZARANA voalohany

IREO NOSY

… tohiny

Ny fiantombohan’ny asa fitoriana fanasitranana

Ny zavatra tena nahafaly ny rehetra tao anatin’ny dia izay natao dia ny tamin’ny aina iray taorian’ny nanambaranay fa hisy vavaka sy fifadian-kanina ho an’izay rehetra mila vavaka fanasitranana. Tsy mbola nisy na dia olona iray aza nivavaka ho an’y marary to Monserrat hatramin’izay, ary tsy nana-kevitra ny amin’izay fonosin’izay ny olona rehetra.

Tamin’ny fivoriana telo volana iray ny fanasitranana voalohany niseho, raha niara-nivavaka sy nifady hanina ny fiangonana iray manontolo, ary fotoana nanomezana tatitra momba ny fiainana ara-panahy rehetra ihany koa izany fotona izany. Nasaina hivavaka teny anoloana avokoa ny marary rehetra taorian’ny toriteny hoe ahoana no tian’Andriamanitra hanasitranana ny marary rehetra. Vaviantitra iray nampahorian’ny aretim-bavony no nanantona voalohany teny anoloana. Nanandratra ny tananay tamin’ny Anaran’i Jesosy izahay ary nivavaka tamin-kafanam-po. Hoy izy rehefa nanontany ny fahasalamany izahay : “Mbola maheno marary aho, efa mahazatra ahy izany, hiverina any amin’ny dokotera indray aho rahampitso haka fanafody mba hampitsahatra ny aretiko… fa misaotra anareo ihany aho na dia izany aza!” Oh…oh…oh, mbola tsy nisy olona nilaza sy niteny toy izany mihitsy (na dia izay rehetra tonga nanga-bavaka aza ka nisaina toy izany tao am-pony ; izany no antony tsy handraisan’izy ireo na inona na inona satria mino sy matoky kokoa ny dokotera sy ny fanafody noho Andriamanitra izy).


Nanazava taminy ny antony nahafatesan’i Jesosy sy ny fijaliana niaretany mba tsy hijaliantsika intsony aho : “Nitondra ny alahelontsika tokoa Izy sady nivesatra ny fahoriantsika ny … ary noho ny dian-kapoka taminy dia sitrana isika. ” (Isaia 53 : 4-6). Niverina izahay fa azony tsara izany fanazavana izany ka nanomboka nivavaka ho azy indray izahay. Hoy izy namely rehefa nanontany azy indray izahay raha toa ka efa tsaratsara izy : “Tsia, aretina efa mitaiza ahy io, ary hanome ahy fanafody ny hôpitaly rahampitso, fa misaotra betsaka anareo aho”.

Eny tokoa, tsy havelanay hiantehitra amin’ny tsy finoany izahay ka nanao tamin’ny Tompo hoe : “Tompo ô, ataovy mino ity vehivavy ity”. Nitodika niaraka tamin’izay izy ary nisokatra mahatahotra be ny masony. Feno ny herin’Andriamanitra hatrany an-tampon-dohany ka hatrany am-paladiany izy, ary sitrana tanteraka taorian’izay. Marary maro hafa ihany koa no sitrana tamin’izany ary tonga avy eo.

Ilay alina tsy hay hadinoina

Nanao fiantsoana vavaka sy fifadian-kanina indray izahay raha nanao planina hivavaka ho an’ny marary tamin’ny alim-bavaka. Nihazakazaka ity zazalahy kely roa ambinifolo taona, raha naheno izany filazana izany ary nanatona vehivavy malemy iray izay may tao anatin’ny afo. Tena niova tanteraka ny momba azy rehetra hany ka tsy vitany intsony na dia mipetraka eo ambony seza aza fa amin’ny tany hatrany. Lasa nivadika ny tongony ary efa tsy afa-mihetsika intsony ny taolan-kitrony, efa tsy afaka manao na inona na inona intsony ny tanany iray, ny ilany ihany no mba afa-mihetsika ahafahany misakafo. Ny lamosiny indray dia lasa nivokoka hany ka lasa manome endrika “baraingo” mihitsy izany. Saingy izy ilay vehivavy tian’ilay zazalahy kely entina hamonjy fivoriana. Indro tazanay nisy olona nilanja ilay vehivavy tamin’ny karazana kesika lehibe fasiana paoma ireny, vao maraina be talohan’ny nahatongavanay tao am-piangonana. Nentin-dry zareo tao am-piangonana ravehivavy ary napetrany tamin’ny tany nifanandrify tamin’ny alitara. Fantatray ankehitriny fa tsy maintsy mivavaka mafy izahay ! Nivavaka sy nikatsaka tamin’ny fonay rehetra izahay mba tsy hisy zavatra hanakana an’Andriamanitra tsy hiasa. Nahatsapa firaisam-pinoana tanteraka izahay tamin’ny 2 : 30 tolakandro teo ho eo ka nanapa-kevitra hivavaka ho an’ireo olona dimy amby telopolo nanatrika teo, taorian’ny hira fiderana sy toriteny fohy momba ny hoe : “Ahoana no atao mba hinoana an’Andriamanitra ka hahatonga Azy hanasitrana” ; nanasa izay izay rehetra mila fanasitranana hanatona eny anoloana izahay. Nijanona teo afovoany teo kosa ilay vehivavy nalemy. Nisy olona efatra nandohalika teo ankaviany ary dimy kosa teo ankavanany. Raiso ary ny tandrifinao satria tafalatsaka teo afovoany mihitsy izy!

Natombokay tany amin’ny laharana farany indrindra ny vavaka. Ny voalohany dia jamba, sitrana sy nahita tsara anefa izy avy eo. Ny manaraka indray dia marenina, sitrana ihany koa ; olona nanana aretina anaty kosa ny fahatelo kanefa nahatsapa fanasitranana, ny fahaefatra indray dia narary hatoka izay vokatry ny fitondrana entana mavesatra be loatra, nefa sitrana teo no eo izy. Sitrana avokoa ireo marary rehetra raha vatany vao nikasika azy ireo fotsiny izahay. Tonga kosa indray izao ny fotoana hikasihanay ilay vehivavy malemy, izay may tao anaty afo, sivy amby telopolo taona lasa izay. Nandrotsaka finoana tao am-poko Andriamanitra rehefa nametra-tanana taminy izahay ka nanomboka nivavaka ary toa fotoana fohy monja izany na dia nivavaka nandritra ny ora iray aza izahay, satria fantatray fa teo anilanay hatrany Izy. Nitsapa ilay mivokoka ny tanako raha mbola teo am-pivavahana izahay… ary tsapako mihitsy fa nisinda izany ary nihanahitsy tsara ilay izy ka afaka nipetraka mahitsy tsara ilay vehivavy. Nanomboka nanontany tena aho avy eo hoe tena taolana marina ve no voatsapako teo sa hozatra fotsiny. Tsy dia natoky loatra ny fahatsapan’ny tanako aho, tsy mitovy fiasa mantsy ny saiko sy ny tanako, izany hoe tsy miara-miasa. Voatery niantso olona iray aho noho izany hitsapa ny taolan-damosiny. Hita ary, rehefa notsapainy izany fa amin’ny toerana avokoa ny taolan-damosin-dravehivavy rehetra. Mahafinaritra izany, nihorakoraka izahay ka nanao hoe : “handeha hivavaka ho an’ny tanany indray”. Nanomboka niantsoantso ravehivavy, minitra vitsy monja taorian’izay, nanao hoe : “voninahitra, voninahitra, voninahitra”. Niondrika nijery azy izahay ka nahita azy nanofahofa ny tanany roa, ary nahetsiketsiny tamin’ny vatany rehetra izany. Tamin’izay no fotoana voalohany nahafahany nikasika ny lamosiny taorian’ny sivy amby telopolo taona nijaliana. “Tsara izany, andao indray hivavaka ho an’ny tongotrao”. Tena nahafaly tokoa izany. Niantsoantso indray izy minitra vitsy taty aoriana : “Voninahitra ho an’Andriamanitra” ary natsotrany hiverina amin’ny ara-dalàna ny tongony, nanomboka nanetsika ny valahany izay mafy be izy avy eo, ny tongony avy eo, ny taolan-kitrony, ary ny rantsan-tongony rehetra. “Atsangano aho fa te handeha!” hoy izy. Afaka nijoro tsara izy raha toa ka tsy afaka nanao izany mihitsy nandritra ny taona maro. Mbola tokony hivavaka hatrany izahay mandra-pahaizany mitsangana irery…. Nefa nanampy azy hitsangana ihany izahay noho ny hafaliana be loatra ka nandeha sy namindra izy avy eo, hita mihitsy fa te hihazakazaka teny an-dalana sy ny lalan-tsara rehetra tao am-piangonana izy.

Hipoka tanteraka ny fiangonana tamin’iny alina iny, feno olona avokoa hatrany an-tokotany ary fanahy maro no voavonjy, olona maro ihany koa no sitrana tao anatin’izany fotoam-bavaka izany. Nanomboka tamin’ny 9 : 00 ora alina ka hatramin’ny mamatonalina no nivavahanay ho an’ny marary rehetra. Tena nahatsiaro tena ho reraka mihitsy izahay hany ka sady nipetraka izahay no nametra-tanana ho an’ny marary, nefa Andriamanitra tsy mety reraka na matory. Na izany na tsy izany, Izy irery ihany no tena manao ny asa rehetra fa ny anjaranay dia mametra-tanana amin’ny marary amin’ny Anarany ka Izy no manatanteraka sy manamarina ny Teniny ka manasitrana ny tsirairay.

hitohy …

0