Fahagagana sy Misiona – 006

FIZARANA voalohany

IREO NOSY

… tohiny

Ireo vokatra

Olona dimanjato no novonjen’Andriamanitra nandritra ireny fivoriam-pifohazam-panahy izay natao tany amin’ireny Nosy dimy ireny, fiangonana efatra no naorina tany amin’ny Nosy izay tsy mbola nisy fiangonana mihitsy tany am-piandohana. 500 dôlara isam-batan’olona teo ho eo no lany nanatanterahana izany rehetra izany. Fiangonana sivy no efa mijoro amin’izao fotoana izao, ary olona dimampolo sy fitonjato eo ho eo no tonga mamonjy fivoriana isaky ny Alahady raha toa ka mbola tsy nisy toy izany tany Antigua fahiny. Natao ho mahaleotena ireo fiangonana ireo, eny, manome sy manolotra misionera ihany koa izy ireo mba hanaparitahana ny Filazantsara any amin’ny hafa.

Nanohy ny asa misionera hatrany kosa ny anadahy Stoppe ary olona an’arivony maro no tonga mba handre azy mitory ny Tenin’Andriamanitra. Mpanara-maso ny fielezan’ny Filazantsara manerana ny Nosy Karaiba izy ankehitriny.

Mba nanana tombony kely nandalo tao St Thomas aho fotoana vitsivitsy lasa izay ary namonjy fotoam-bavaka tao. Alina talohan’ny Krismasy no nidirako tao ary tsy nisy olona nahafantatra ahy mihitsy tao.

Olona tena niova fo roanjato mahery teo ho eo no nanatrika fivoriana tao. Samy nilaza ny fomba namonjen’Andriamanitra azy avy ny tsirairay, rehefa nandritra ny fijoroana vavolombelona. Nilaza ny hafaliana nateraky ny famonjena azy ireo amin’ny fotoana nihanonay tao, efatra taona mahery lasa izay ny olona, (izany hoe tamin’ny fotoana nanaovanay asa fitoriana tany no nahavoavonjy azy ireo). Fianakaviana folo teo ho eo no efa nifindra monina any amin’ny firenen-kafa, ary nisy olona telo lasa mpitoriteny tao anatin’ireny : anisan’izany ny anadahy Steel, manao asa fitandremana any New York City.

Miteraka rojom-pitahiana tsy misy fetra ny fankatoavana, fa mitondra fandringanana tsy misy fiafarany kosa ny tsy fankatoavana. Niezaka hahazo izao tontolo izao i Lota nefa nahavery izany rehetra izany izy.

hitohy …