Finoana – 04

… tohiny

JESOSY MPANASITRANA SY MPAMONJY

Lany tamin’ny fanasitranana ny marary sy famelana ny heloky ny mpanota ny telo taona tamin’ny andron’i Jesosy. Dia tonga ilay fotoana lehibe izay nahatonga Azy ho Mpisolo ny olona. Tsy maintsy nalana avokoa ny ota sy ny aretina, kanefa alohan’ny hahafahana izany ara-drariny dia tsy maintsy naloa aloha ny tambin’izy roa. Jesosy Kristy irery ihany, Ilay tsy nanota sy tsy narary, no afa-nanao izany; ary nanao izany Izy noho ny FITIAVANY lehibe, ho antsika no nanaovany izany (Isa. 53).

Talohan’ny hanomboana Azy teo amin’ny hazo fijaliana tao Kalvary anefa dia niezaka hampiseho amin’ny mpianany jesosy izay hitranga sy izay ho vokatry ny fijaliana tsy maintsy hiaretany. Toy izao no fitantaran’i Paoly an’izany : “Tamin’iny alina iny, izay namadihana ny Tompo Jesosy, dia nandray MOFO Izy, ary rehefa nisaotra, dia novakiny, ka hoy Izy : Ity no tenako ho anareo; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy. Dia araka izany koa ny kapoaka, rehefa nihinana, dia hoy izy : ity kapoaka ity no ilay fanekena vaovao amin’ny rako; izao no ataovy ho fahatsiarovana Ahy, na oviana na oviana no misotro hianareo” (I Kor 11 : 23-25).

Mampisalasala ny hihevitra fa azon’ireo mpianatra izay niara-nisakafo taminy sy nandre Azy niteny ireo teny nolazainy ireo. Tsy azony an-tsaina velively akory izy hitranga – kanefa dia nitranga izany, ary tamim-pahabibiana, tsy fahamendrehana, ambany, mahery setra – ho an’ny famonjena ahy sy hianao!

Nokapohina teo an-tanan’ireo lozabe Jesosy, Ilay ZANAK’ONDRINTSIKA. Nororana Izy. Notorotoroina izy. Nampijaliana Izy. Namela diany lalina ny kapoka nataon’ireo kotopian’ny miaramila Romana izay nanombika nofo tamin’ny lamosiny mihitsy. IREO NO DIAN-KAPOKA izay nolazain’isaia sy Petera hoe : NAHASITRANA ANTSIKA. Ary ny tenany no nasiana ireo (Isa. 53 : 5 ; I Pet. 2 : 24). Nokapohina tsy nisy indra-fo ny tenany ho antsika. Tsy fanavotana noho ny fahotantsika izany, fa ny fitondrana ny aretintsika izay nahatonga ny fanasitranana ny aretintsika ho efa novononina tao. Ary mbola averiko indray : ireo dian-kapoka nanasitranana antsika dia nisoritra teo amin’ny TENANY, hoy Matio : “Nitondra ny rofintsika izy ary nivesatra ny aretintsika”.

Rehefa nokapohina sy notorotoroina ny TENANY mba ho fanasitranana antsika, dia nohomboana teo amin’ny ahzo fijaliana ary nolefonina ny tehezany. Nigororoana teo amin’ny tany ny rany, ary ho famelana ny heloky ny maro no nandrarahany izany” (Mat. 26 : 28) fa tsy ho fanasitranana ny aretina akory.

Indroa nijaly Jesosy Zanak’Ondrintsika. Nandraraka ny rany teo amin’ny hazo fijaliana Izy ho famonjena antsika amin’ny fahotantsika, ary nitondra ny dian-kapoka teo amin’ny TENANY Izy ho fanasitranana antsika amin’ny aretintsika. Tamin’ilay fotoana fialan’aina tao Kalvary dia nijaly am-panahy tokoa Jesosy fa toa hatramin’ny Rainy aza no nandao Azy; nanao izany anefa Izy ho fitondrana ny fahotantsika ary natao ota mba hamonjy antsika (II Kor. 5 : 21). Fa tamin’ilay fijaliana ara-batana tao amin’ny Fitsarana izay niaretan’i Jesosy ny kapoka nafitsok’ireo miaramila romana tsy nifaditrovana, dia ny aretintsika no nentiny ; satria tamin’ny dian-kapoka taminy no nanasitranana antsika.

Rehefa vita izany ka niverina ho eo amin’Andriamanitra Jesosy ary mipetraka eo an-tanana ankavanany, fa tanteraka daholo ny zavatra rehetra ary afaka tanteraka tamin’ny fanandevozan’i satana ara-bataan sy ara-panahy ny olombelona, dia nasehon’ny Fanahy Masina tamin’i Paoly ny hevitr’izany rehetra izany. Ao amin’ny lahatsoratra nataon’i Paoly no ahitanao ny fandikana izany.

Lazain’i Paoly amintsika ao amin’ny I Kor. Toko faha-11 ny amin’ny sakramentan’ny Fanasan’ny Tompo izay arahin’ny fiangonana rehetra. Lazaina ao ireo TANDINDONA ANANKIROA omentsika voninahitra ho fahatsiarovana izay niaretan’i Jesosy, Ilay Zanak’Ondrintsika, dia ny mofo sy ny divay, misolo ny TENANY voakapoka sy voatorotoro ho fanasitranana ny tenantsika, ary ny ra nalatsaka ho fanasitranana ny fanahintsika. Ary dia hoy Izy amintsika : “Fa na oviana na oviana hianareo no mihinana itony mofo itony sy misotro amin’ny kapoaka, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo hianareo mandra-pihaviny” (I Kor. 11 : 26).

Omen’i Paoly ao amin’ny Korintiana voalohany toko faha-10 andininy faha-16 ny dikan’ireo TANDINDONA ANANKIROA ireo. “Ny kapoaky ny fisaorana izay isaorantsika, moa tsy firaisana amin’ny ran’i Jesosy va izany? Ny mofo izay vakintsika, moa tsy firaisana amin’ny TENAN’i Kristy va izany?”.

Nararaka ny ran’i Jesosy mba hitondrany ny helontsika ka tsy hilantsika ny hitondra izany intsony fa ny ho voavonjy amin’izany sy hahafahantsika amin’ny herin’ny ota ao amin’ny fiainantsika. NOKAPOHINA NY TENAN’i JESOSY ho fitondrana ny aretintsika, mba tsy hilantsika ny hitondra izany intsony fa ho sitrana amin’ny sy ho afaka amin’ny herin’ny aretina ao amin’ny tenantsika.

Rehefa ampianarina tsar any Kristiana mba hahalala ny fanafahana azy tamin’ny aretina rehetra sy tamin’ny herin’ny aretina rhetra ao amin’ny fiainany noho ny dian-kapoka tamin’ny TENAN’i Kristy, dia tahaka ny nampianarana az koa hahalala ny fanafahana azy tamin’ny ota rehetra sy tamin’ny herin’ny ota ao amin’ny fiainana noho ny nandatsahana ny RAN’I Krsity, dia ho afaka amin’ny aretina izy tahaka ny mahafaka azy amin’ny ota koa. Dia tsy hanan-kery amin’ny tenany mihoatra noho ny fahotana intsony ny aretina. Ho hitany fa tsy ho voninahitr’Andriamanitra ny aretina tahaka ny tsy maha-voninahitr’Andriamanitra ny toa koa. Tsy hahita aretina ao amin’ny fiainany intsony izy tahaka ny tsy ahitany ota intsony koa ao amin’ny fiainany. Ho hitany fa samy afaka n any aretina n any fahotana satria samy efa nentin’Ilay Mpisolo antsika mahafinaritra, dia Jesosy, Ilay Zanak’Ondrin’Andriamanitra nokapohina sy nolefonina ho antsika.

hitohy …