Finoana – 05

… tohiny

FANDRAISANA NY FANASAN’NY TOMPO.

Rehefa entina eo amintsika ny tandindon’ny Fanasan’ny Tompo ho fahatsiarovana ny fahafatesan’ny Tompontsika, dia raisintsika ny kapoka ka sotrointsika amim-panajana feno. Rehefa avy misotro azy isika dia maneho ny fisaorantsika ny Raintsika mandrakariva noho izany Kristy mahafinaritra izany, sy noho ny hery mahafinaritra ananan’ny ran’i Kristy mba hanadio antsika amin’ny fahotantsika rehetra. Faly isika satria resy ny herin’ny ota ao amin’ny tenantsika, satria tsy manana fahefana amintsika intsony ny ota. Fa ahoana no ahalalantsika izany zavatra izany? Moa nilazana tanteraka va isika fa manadio antsika tamin’ny fahotantsika rehetra ny ran’i Jesosy Kristy Zanak’Andriamanitra? TSIA, no valiny omentsika!

Izao no marina, ary ny marina mahafaka ; afaka amin’ny OTA isika. Voavonjy indray mandeha tamin’ny fiainana feno ota isika ary mino fa tsy manana fahefana amintsika intsony ny ota, satria VOAVONJY isika.

Fa rehefa atolotra antsika kosa ny mofo fia rainsintsika amim-pitiavana ka hanintsika (izany hoe fampisehoana ny tenan’ny Zanak’Ondrintsika, dia tahaka ny niarahan’ny Zanak’Isiraely nihinana ny nofon’ny zanak’ondry tany Egypta). Dia manao fisaorana indray isika noho ny sorona mahafinaritra nataon’i Jesosy. Misaotra Azy isika fa nokapohina ho antsika ny TENAN’i Krsity, ary hatreo no fampianarana nomena antsika. Nampianarina antsika tokoa fa nolefonina ho antsika io TENA io, fa tsy mba nolazaina antsika ny tombon-tsoa mety ho azontsika noho ny NIKAPHOHANA izany TENA izany koa ho antsika.

Hadino mandrakariva ao amin’ny Fanasan’ny Tompo ny hoe : “Izay nanasitrana ny aretinao rehetra” (Sal. 103 : 3). Ary satria tsy namantatra tsara ny TENAN’ny Tompo ny fiangonana, dia maro amin’ny mpiangona ankehitriny no marary sy malemy.

NY KAPOAKA SY NY MOFO

Mampiseho ny ran’i Krisy ny divay ao amin’ny kapoaka eo amin’ny Fanasan’ny Tompo, ra izay nalatsaka ho an’ny maro ho famelan-keloka. Mifaly aho rehefa misotro izany satria novana ilay toetrako feno ota ary namboarina indray hao ho tonga vaovao, satria VOAVONJY AHO. Amin’izany toetra izany no ahafantarako tsara ny ran’ny Tompo. Izany no nataon’ny Korintiana sy ny olona an’arivony maro amin’izao andro izao.

Ny vaki-mofo eo amin’io Fanasan’ny Tompo io kosa dia misolo ny tenan’i Kristy, izay nasian’ny kapoka mafy izay namela diany, ary ireo dian-kapoka ieo no nitondra sy nahasitrana ny aretiko. Rehefa mihinana io aho dia mifaly satria novana ilay tenako malemy sy marary, satria tonga taolana tamin’ny taolany sy nofo tamin’ny nofony ary tena tamin’ny tenany io (Efe. 5  : 30), ary sastria efa « nampisehoana tato amin’ny nofoko mety maty ny fiainan’i Krsity » (II Kor. 4  : 11) ; satria tsy manan-kery amiko intsony ny aretina, satria SITRANA AHO. Amin’izany toetra izany no ahafantarako tsara ny tenan’ny Tompo. An’arivony ny olona amin’izao andro izao tsy manana izany.

Manontany tena matetika aho nahoana ireo mpitandrina izay tsy mitory ny fanasitranan’Andriamanitra ny tena no manolotra ny MOFO ho an’ny mpiangony nefa io mofo io misolo ny TENAN’i Kristy izay misy ny DIAN-KAPOKA nanasitranana antsika (izay mino) (Isa. 53  : 5 ; I Pet. 2  : 24). Toa ho tsaratsara aminy kokoa ny hanohy hanolotra ny kapoaka, izay misolo ny ra nalatsaka ho famelan-keloka, ho an’ny olony satria mahafantatra tsara ny RAN’i Krsity izy ireo sy mahazo tombon-tsoa amin’izany fa tsy hisy antony aminy sy ho herim-po very maina ho azy ny hanolotra ny « mofo », izay misolo ny TENAN’ny Tompo voakapoka ho fanasitranana ny vatan-tenantsika, ho an’ny olona, nefa rehefa avy eo mbola hilaza aminy fa tsy an’ny fiangonana ankihitriny intsony ny fannasitranan’Andriamanitra ny vatana. Raha izany tokoa dia tsipazako hevitra izy ireo mba hanaraka izany ka ham-pijanona hanolotra ilay TANDINDON’ny sorona nataon’i Jesosy, IlayZanak’Ondrintsika, ka nanomanana izay fahasitranana izany ho an’ny fiangonana. Maro amin’ireo mpiangona ireo no marary sy kilemaina satria na dia mihinana ny tenan’ny Tompo aza izy, dia tsy mahafantatra tsara ny TENAN’ny Tompo araka izy tokony ho fantany.

Rehefa niteny Jesosy nanao hoe  : « Ity mofo vakina ho anareo ity no misolo ny Tenako », dia manantena ny fahalalantsika Izy fa teo amin’ny tenany no nisy ireo dian-kapoka mafy NANASITRANANA antsika. Ny fahafantarana tsara y Tenany dia hitondra fahafahana amin’ny aretintsika ary ny fahafantarana ny rany nalatsaka no hanaisotra ny fahotantsika. Misy mandray ny Fanasan’ny Tompo amin’ny fanahy tsy mendrika, koa tsy afaka hamantatra na hanana finoana fa mahasitrana ny tenan’ny Tompo, na dia efa namianarina azy aza izany. Raha mandinika ny tenany aloha ny olona mitady fahasitranana ka mampifanaraka ny fanahiny amin’Andriamanitra mba hahazoany « mihinanan ny mofo sy misotro nykapoaka » amin’ny fanahy mendrika, araka izay nampianarin’i Paoly, dia ho tonga eo amin’ny toerana hahafantarany ny tenan’ny Tompo izy sy hananany finoana hositrana.

Amiko dia ampianarina mazava tsara ao amin’ny Soratra Masina manontolo ny fahazoana tombon-tsoa amin’ny fahasitranan’ny tena noho ny TENAN’Ilay Zanak’Ondry nokapohina, dia tahaka ny fampianarana ny fahazoana tombon-tsoa amin’ny famonjena noho ny amin’ny RAN’ny Zanak’ondrintsika nalatsaka koa.

Fantaro fa nokapohina sy notorotoroina ilay TENA ary izany dian-kapoka izany no nitondra ny aretinao ka nahasitrana anao ary dia salama hianao, dia tahaka ny maha marina koa rehefa namantatra ny RA izay nalatsaka ho anao hianao fa izany sorona izany no nitondra ny helokao, ka dia mahazo famonjena hianao.

Tsy hanan-kery amin’ny tenanao intsony ny aretina tahaka ny tsy ananan’ny ota hery amin’ny fanahinao koa. Ho afaka amin’ny aretina tahaka ny mahafaka amin’ny fahotana koa hianao. Raha mino io teny ao amin’ny Soratra Masina io hianao ka mihetsika araka izany dia ho afaka, eny ho tahaka ny ahafahanao amin’ny ota koa no ahafahanao amin’ny aretina.

Indray mandeha ihany no hitondrana ny fahotana sy ny aretina. Ary satria efa voasoratra fa efa nentin’i Jesosy Kristy ireo, dia tsy mila mitondra azy intsony hianao. Raha mbola mitondra azy hianao, dia ho herim-po very maina izany ny nitondran’i Jeossy azy, satria tsy mbola nahazo tombon-tsoa avy amin’izany hianao. Kanefa manambara aho fa satria Jesosy nitondra amin’izay dia ho tanteraka ny hoe  : « ny dian-kapoka taminy no nanasitranana antsika » ary tamin’ny rany no nahazoantsiaka « famelan-keloka ».

Tsy inoantsika intsony izao fa manana alalana hanjaka na hijanona ato amintsika ny aretina

Takio amim-pinoana ireo zava-tsoa roa loha ireo. Ekeo ho anao izy. Ekoe ho MPANASITRANA anao Jesosy tahaka ny anekenao Azy ho MPANMONJY anao koa, dia ho afaka amin’ny aretina hianao tahaka ny maha-afaka anao amin’ny ota koa.

Tsy nisy olona inatso fanampiana ara-batana tamin’ny Krsity ka tsy novaliany, fa satria an’arivony maro ny olona mitalaho fahasitranan’ny vatana Aminy dia tsy miova y teniny voatahiry hoe  : « Nositraniny avokoa izy rehetra » (Mat. 4  : 24 ; 8  : 16 ; 12  : 15 ; 14  : 14 ; Lioka 4  : 40 ; 6  : 9 ets). « Ary dia nametra-tanana tamin’izy rehetra tsirairay Izy ka nahasitrana azy » (Lio. 4  : 40). Tonga hano ny sitrapon’ny Rainy Izy, koa dia nitory ny Filazantsara Izy sy « nanasitrana ny marary rehetra ». « izay nandehandeha……sy nahasitrana izay rehetra azon’ny herin’ny devoly » (Asa. 10  : 38).

Ny antony nanasitranany azy REHETRA dia y avotra. « izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika » (Ma. 8  : 17).

Raha ny aretintsika fotsiny no nentiny dia tsy feno ny Soratra Masina raha tsy ao ny fanasitranana azy REHETRA.

Izay nataon’i Jesosy tamin’ny nanasitranany ilay vehivavy narary nandeha ra dia ho an’izany vehivavy izany, fa izay nataony tamin’ny fahafatesany dia ho an’ny olona rehetra.

Satria ny fanavotana no antony nanaovan’Andriamanitra ny fanasitranan’i Kristy azy rehetra, dia tsy maintsy tohizany ny fanasitranana izay REHETRA mahatanteraka ny fepetra. Izay nataon’ny fanavotana tamin’ireo velona tamin’izay fotoana izay mantsy dia mbola antaony koa amintsika ankehitriny. « Niharan’y fahafatesana Izy ho an’ny olona rehetra ». Ny zava-kendreny amin’ny fandidiany izany ho toriana ami’ny olombelona rehetra (Marka 16  : 15-18) dia ny mba hahazoan’ny olombelona rehetra mandray ny tombon-tsoa avy aminy.

Na rahoviana na rahoviana ary na aiza na aiza no itoriana an’i Jesosy Kristy sy ny sorona nataony ho an’ny ota sy ny aretina, dia fhasitranana ho an’ny vatana marary no vokany ary famonjena ho an’ny fanahy very.

NITORY AN’I KRISTY PAOLY. « Ary nisy lehilahy anankiray ipetraka tany Lystra nalemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny ka tsy afaka namindra ; izy nahare an’i Paoly nitori-teny ; ary Paoly, nony nibanjina azy mafy ka nahita fa nanam-pinoana hositranina io, dia niteny tamin’ny feo mahery hoe  : « Mijoroa amin’ny tongotrao. Dia niantsambotsambotra ralehilahy ka nitsangantsangana » (Asa. 14  : 8-10). Tsy maintsy ho nitory ny Filazantsaran’ny fanasitranana Paoly, satria nahazo finoana hositranina ilay lehilahy nalemy raha nihaino ny toritenin’i Paoly.

Na aiza na aiza itoriana ny fanansitranan’Andriamanitra ho an’ny tombon-tsoan’ny olona rehetra, ka mihaino tsara ny teny toriana ny olona, dia tafiditra ny finoana ka sitrana hatrany ny olona. MAHOMBY MANDRAKARIVA izany fomba izany, TSY MAINTSY MAHOMBY NY FINOANA.

Aoka haveriko indray fa tsy afa-miasa ny finoana raha misalasala ny tena ny amin’ny anasitranan’Andriamanitra azy rehetra na tsia. Raha tsy hanasitrana azy rehetra Izy, dia voatery isika isak’izay mitranga tsy maintsy hanontany hoe  : « Asa na sitrak’Andriamanitra ny hanasitrana ity anankiray ity, na hoe sao sitrak’Andriamanitra ny handrian’ity sy ny hijaliany ? Ahoana no hahavitantsika ny VAVAKY NY FINOANA raha izany eritreritra izany no ao amintsika ? Aoka ho tafatoetra indray mandeha sy ho mandrakizay ny hoe  : SITRAK’ANDRIAMANITRA NY HAHASITRANA AHY, manan-jo ny hositrana aho tahaka ny ananako zo ny ho voavela heloka koa rehefa MINO. Hoy Andriamanitra  : « Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao », ary raha Andriamnitra no milaza izany, ary Andriamanitra tsy mandainga, dia izany tokoa no HEVINY. Izay lazain’Andriamanitra dia marina. Koa azoko ny fahasitranana.

Anisan’ny Filazantsara koa ny fahasitranana ka tsy maintsy toriana na aiza na aiza « eto amin’izao tontolo izao » (Mat. 28  : 20). Koa satria an’isan’ny Filazantsara ny fahasitranan’Andriamanitra dia fahasoavana ho an’ny olona REHETRA izy.

hitohy …