Finoana – 06

… tohiny

FANASITRANANA TAMIN’NY FANAVOTANA.

Izao no vakiantsika ao amin’ny Isaia 53  : « Sady nivesatra ny fahoriantsika ». Ary ao amin’ny andininy faha-5 « Nefa izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helontsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranan antsika ». Atambaro amin’io ny I Petera 2  : 24 manao hoe  : « Izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo, mba ho faty ny amin’ny ota isika, fa ho velona ny amin’ny fahamarinana ; ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo ».

Hitantsika amin’ireo andinina ao amin’ny Soratra Masina ireo fa azo amin’io fanavotana io ny fahasitranan’ny tena, tahaka ny famonjena ny fanahy koa. AO ANATIN’NY FANAVOTANA NY FAHASITRANANA. MAHAZO FAHASITRANANA ISIKA AO AMIN’NY FANAVOTANA. Tokony ho sitrana isika raha voavonjy, ary tokony ho voavonjy isika raha sitrana. Tsy nahafa-po ny Tompontsika ny famonjena antsasany fotsiny.

Rehefa mahatsapa ny tena fa mahazo fahasitraana, tahaka ny famonjena koa, dia tsy ilaina intsony ny « hiantso ny loholona » tsy ilaina intsony ny « hametrahan-tanana », tsy ilaina intsony ny « hangataka amin’ny Anaran’i Jesosy » izay efa ananana rahateo ary tsy ilaina ny hisian’ny « anakiroa mifanaiky hanao vavaka iray », satria efa nianatra ny HAHITRA TSARA SAMY IRERY NY TENA. Efa nianarana fa AFAKA TAMIN’NY FATORAN’NY ARETINA SY Y ROFY NY TENA. Hita ilay nisolo ny tena dia Jesosy Kristy, Izay nitondra ny fahotan’ny tena sy ny aretin’ny tena tao amin’ny tenany, ary efa mahalala ny tena fa tsy hitondra insony izay efa nentin’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana ho an’ny tena. Efa nahatsapa ny marina voalaza ao amin’ny Matio 8  : 17 ny tena manao hoe  : « izy naka ny rofintsika sy nitondra ny aretintsika ». Efa nianarana sy fantatra fa Jesosy, Ilay Mpisolo ny tena, dia nanafaka ny vatan’ny tena tamin’ny aretina ary ny fanahin’ny tena tamin’ny ota.

Hitan’ny tena ny aretina sy ny fahotan’ny tena fa napetraka tamin’i Jeosy teo Kalvary, ary efa nianaran’ny tena fa raha nitondra ny ronfintsika sy ny fahotantsika Jesosy dia tsy ilaintsika intsony ny hitondra izany. Fa raha mbola ho entintsika izany dia ho very maina ny nitodran’i Jesosy azy ; nefa satria efa NENTINY izany ary ny Soratra Masina manao hoe antsika izany nentiy izany, dia tsy isalasalana fa TSY TOKONY HITONDRA IZANY ISIKA. Aoka haveriko indray  : TSY TOKONY HARARY NY KRISTIANA. Ny ho salama sy matanjaka no itiavan’Andriamanitra azy. Famelana ny helony sy fahasitranana ny tenany no hitany. Dia hiara-mihira amin’i Davida hoe izy  : « Miderà an’i Jehovah, ry fanahiko, ary aza misy hadinoinao ny FITAHIANY REHETRA. (Hadinon’ny ankabeazan’ny olona ny antsasaky y tombon-tsoa azo avy amin’ny fanavotana ; Davida kosa tsy mba nanadino), Izay namela ny helokao REHETRA ; izay nansitrana ny aretinao REHETRA ». (Sal. 103  : 2-3). Mitovy ny niantsoany hoe  : NAMELA NY REHETRA » sy ny « NANASITRANA NY REHETRA » !

Amin’ny farany dia ho fantatry ny mino ny antony nanaovan’i Jesosy hoe  : « iza moa no moramora kokoa ny manao hoe  : Voavela ny helokao, sa ny manao hoe  : Mitsangana, betao ny fandrianao ka mandehana ? » (Marka 2  : 9)

Farany dia ho tanteraka ny fifaliana tsy azo tononina sy feno voninahitra noho ny FAMONJENA FENO. Hahita FAHAFAHANA TANTERAKA izy ary hiara-miteny amin’i Petera hoe  : « izy nitondra ny fahotantsika tamin’ny tenany teo ambonin’ny hazo… ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana anareo ». Hohitany fa vita tao Kalvary avokoa ireo. Olona afaka izy. Tsy misy ota intsony ary tsy misy aretina intsony. Efa nentin’ILAY MPISOLO izy roa ireo. Rehefa mahalala izany marina tena fototr’aina izany hianao dia hitsonika hiala ny aretina, hihamahitsy ilay tongotra na tanana kilemaina, hahita hianao fa afaka ara-batana sy ara-panahy koa. Tsy hiara-mitoetra amin’i Joba ao amin’ny Testamenta Taloha itsony hianao ka hihevitra fa satria narary Joba dia mba tokony harary koa hianao. Tsia ! Fantatrao fa aty ambadik’i Kalvary hianao no velona, eo ambany Fahasoavana sy Fahamarinana, izay manafaka anao amin’ny ozon’ny lalàna (Deot. 28  : 58-61).

Hoy ilay mpitandrina anankiray izay tamiko indray mandeha  : « Isaky ny mivavaka ho an’ny marary aho, dia marary mafy na izaho na ny vadiko na ny zanako ». Dia notohizany y teniny hoe  : mino izy fa TSY MAINSY mandalo izany fitsapana izany mba hizahana ny finoany, ary adidiny ny mijanona ho mahatoky eo amin’ny ARETINA alohan’ny hampiasan’Andriamanitra azy hanasitrana ny hafa. Novaliako izy ka hoy aho  : hahamenatra ny hihevitra fa tsy mainsy mampiseho OTA aho vao ho hitan’Andrimanitra fa mendrika ny hitory famonjena amin’ny mpanota. Ankoatr’izany dia hoy aho tamin’io lehilahy io  : « Izao no mahasamihafa ny fitorian-teninao sy ny ahy  : hianao mitory sy mino fa TSY MAINSY MIJALY HIANAO ary mampiseho fhatokiana alohan’ny hahazoanao milaza amin’ny hafa fa mety ho sitrana izy, fa izaho kosa milaza amin’ny olona fa EFA NIJALY NOHO NY FAHOTAKO JESOSY – napetraka teo amin’ilay MPISOLO AHY izany fahotana izany FA TSY TAMIKO.

Nitondra ny rofinstsika sy ny aretintsika Jesosy ary tsy ilainsika ho entina intsony izay efa nentiny. Tsy ilaintsika intsony ny hijaly amin’izy efa nentiny teo amin’ny tenany. METY HAPETRAK’I SATANA AMINTSIKA AMIN’NY FOMBA TSY ARA-DALANA IZY EFA NAPETRAK’ADRIAMANITRA AMIN’I JESOSY. Ny anton’ny nitondrany ny heloka dia ny mba haaovany ho marina izy rehetra mino Azy ho Mpisolo heloka. Ny anton’ny nitondrany ny rofy dia ny hahasitrana izy rehetra mino Azy ho Mpitondra ny aretiny. Ny fitondrany heloka dia mahatonga ny fahamarinana ho azo antoka ho an’ny olom-baovao. Nitondra ny helontsika Izy ka dia nahatonga antsika ho marina. Nahatonga ny fahahsitranana ho azo antoka ho an’ny olom-baovao ny fitondrany ny rofy. Nitondra ny rofintsika Izy ka dia nahatonga antsika ho mtanjaka, ary manolotra antsika fahombiazana hisolo ny tsi-fahombiazana izy izao.