Finoana – 07

… tohiny

NY TOETRY NY FINOANA.

Betsaka loatra no diso hevitra ny amin’ny toetry ny finoana araka izay ilazana azy ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ary dia mitana fa natao ho an’ny ankabeazan’ny olona io afa-tsy izy, ary koa raha te-hampiasa finoana dia tsy maintsy ampiasaina aloha ny saina, miezaka, misahirana na koa mamita zavatra samy hafa mba hahazoana mandray ny fampanantenana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra sy mahazo ny fahasoavany. Betsaka no hilaza hoe mino ny Tenin’Andriamanitra, kanefa mbola marary. Hoy izy  : « ananako y finoana rehetra, kanefa raha tsy mahita fiovana aho fa raha misy sitrana dia hahita izany izy ». IZANY NO HEVI-DISO MOMBA NY TOETRY NY FNOANA.

Tsy maintsy mijoro eo amin’ny iray amin’ireto toerana ireto isika  : dia ny FIOANA, na ny TSI-FINOANA, marina ny Tenin’Andriamanitra na tsy marina, hanao izay efa nampanantenainy Andriamanitra na tsy hanao izany, azo ianteherana ny teny fikasany na sy azo ianteherana. Koa dia izao no fanontaniana mipetraka  : Hino va isika fa marina ny Tenin’Andriamanitra sa hino kosa isika fa diso izy ? Raha mino isika fa feno fahamarinana Andriamanitra, nahoana no hisalasalana ny hankato sy hanao araka ny teny fikasany, na tanteraka izy kasaina na tsia ?

Ny FIOANA marin an’Andriamanitra sy ny Teniny dia zavatra hafa lavitra noho ny fanarahana ny Teny fikasana tsy mihoatra izay tratry ny masontsika, sy ny finoana afa-tsy izay hitantsika, ary izy tanterahin’Andriamanitra eo amin’ny fahitantsika. Ny hevitr’izany dia hoe finoana hentitra miady amin’izay zava-manohitra rehetra sy ny antontam-pahasahiranana izay toa manakana ny lalan’ny valim-bavaka ho antsika. Izay manao ny vavaky ny finoana dia mangataka amin’Andriamanitra izay zavatra iriny ary mametraka ny valiny Aminy, eo am-pahalalana fa araka ny Teniny dia tsy maintsy ho avy izany. Raha mahalala iay nampanantenainy ao amin’ny teniny isiska dia tsy mila intsony hangataka famantarana na fahagagana mba hanamarinana ny teny fikasany na hahazoana antoka fa tsy hanadino ny hanatanteraka ny teny fikasany Izy. Izao no filazan’ny Tenin’Andriamanitra  : « Izao famantarana izao no hanaraka ireo izy Mino » (fa tsy ireo izay te-hahita zavatra vao hino) (Marka 16  : 17).

Koa satria Adriamanitra nanao hoe hanasitrana ny marary Izy (Eks. 15  : 26 ; Salamo 103  : 3 ; I Pet. 2  : 24 ; ets…) dia vonon-kanasitrana ny marary Izy. Ary satria vonon-kanasitrana ny marary Izy dia hanasitrana ny marary Izy.Satria Andriamanitra te-hanasitrana ny marary sy hamonjy ny mpanota, dia hanasitrana ny marary sy hamonjy ny mpanota Izy IZAO. Aleony manao izany anio toy izay rahampitso…fa « ANIO no andro famonjena…… ANIO no andro fankasitrahana » (II Kor. 6  : 2).

Hitanao amin’izany ny ampisehoan’ny Tenin’Andriamanitra ny sitra-pony ho antsika ! Raha tiany hisy harary amintsika, dia tsy ho nentin’i Jesosy akory ny aretintsika (ny ahy sy ny anao) sy ny rofintsika, satria amin’ny fanaovany izany no hanafahany antsika tsy hitondra izay tian’Andriamanitra ho entintsika. Kanefa satria mahazo miteny Kristy hoe  : « Inty Aho tonga hanao ny sitraponao, Andriamanitra momba ny fanasitranana ny tenantsika rehefa « naka y reofintsika sy nitondra ny aretintsika Izy » (Mat. 8  : 17) ary niaritra ny dian-kapoka izay nahasitranan antsika (I Pet. 2  : 24). Mihetsika araka ny Teny ny finoana ary hita tsy ela eo amin’ny tenantsika ny fahasitranana.

Tsy hoe ambinambiny akory ny fanasitrnana ao amin’ny Baiboly fa miara-mandeha amin’ny famelan-keloka, hatrany amin’ny Genesisy ka hatrany amin’ny Apokalypsy. Betsaka noho ny fitantarana ny famelan’i Jeosy ny heloky ny mpanota ny fitantarana ny fanasitranany ny marary ao amin’ny Testamenta Vaovao ! Ary rehefa naniraka ny mpianany Jesosy dia nandidy azy « hanasitrana ny marary, hamoaka ny demonia, hanadio ny boka, sy hanagana ny maty »… ary « hanasitrana ny marary, na aiza na aiza misy azy ! » (Mat. 10  : 8 ; Lio. 10  : 8-9).

hitohy …