« Izao no lazain’i Jehovah: Mijanòna eo an-dàlana ianareo ka izahao, ary anontanio izay Lalana Masaka Hatry ny Ela, dia izay làlana tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. » Jeremia 6:16 

Ny fomba hahavoavonjy

1— Minoa izay lazain’ Andriamanitra ny aminao : ‘ Fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra ». Rom. 3 : 23. 2 — Minoa izay lazain’ Andriamanitra ny amin’ ny fahota­nao. « Fa fahafatesana no tambin’ ny ota ». Rom. 6 : 23. 3 — Mino Ilay hany Tokana nanao asa fisoloana ny otanao : Jesosy Kristy...

Ny Kristiana dia Epistilin’i Kristy

Vakian’ ny hafa ny fiainanao. Tsy afa-mivelona amin’ity fiainana ity isika ka tsy ho hitan’ olona ; Eny, ny sasany aza manahaka antsika sy manaraka ny diantsika. Isan’ andro ny fiainantsika dia voarakitra ao an-tsain’ ny olona, ary voasoratra fa « Isika no episti­lin’ i Kristy ». II Kor. 3 : 3. Koa ny famakian’ ny olona ny fiainan­tsika dia midika ho...

Misy marina ny Helo

Nitory teny Sr Daoud indray andro, « Misy marina ny Helo » no lohateny. Nitantara izy fa nisy fikambanana ingénieur minier rosiana tarihin’ingahy Azzacov, nandavaka tany ambanin’ny tany. Rehefa nahalavaka tany amin’ny 14,4km izy ireo dia nisy fitrangan-javatra mahatsiravina. Nihanafana ny fanambanin’ny tany, ary nanomboka naheno feo sy hiaka mahatsiravina izy ireo. Rehefa tsy zakan’izy ireo ny fihainoana izany dia nanapa-kevitra fa...

Moa ve ny Kristiana afaka mivelona tsy misy ota? (tohiny)

Izay dika ankapoben’ ny hoe : MANOTA ao amin’ ny Testamenta Vaovao dia fandikàna an-tsitrapo sy amin’ ny fahala­lana ny lalàna izay fantatra. Ny fahatsontsana, fahalemena sy fahadisoana tsy nahy dia tsy azo sorohana raha mbola eto amin’ ny nofo isika. Ny fahotana kosa dia azo sorohana amin’ ny alalan’ ny hery fiarovan’ i Kristy mandritra ny ora mifandimby eo amin’ ny fiainam-baovao...

Jesosy Mpanasitrana sy Mpamonjy

Lany tamin’ny fanasitranana ny marary sy famelana ny heloky ny mpanota ny telo taona tamin’ny andron’i Jesosy. Dia tonga ilay fotoana lehibe izay nahatonga Azy ho Mpisolo ny olona. Tsy maintsy nalana avokoa ny ota sy ny aretina, kanefa alohan’ny hahafahana izany ara-drariny dia tsy maintsy naloa aloha ny tambin’izy roa. Jesosy Kristy irery ihany, Ilay tsy nanota sy tsy...

Ny Ran’ny Zanak’ondry

Mialoha ny nanafahan’Andriamanitra ny Israely tamin’ny fanandevozana tany Egypta dia tokony hatoky ilay MPAMONJY IZAY HO AVY (Jesosy Kristy) ny isan-tokantrano mba hanafahana azy ho afaka amin’ny otany. Raha vao nanota voalohany Adama sy Eva, dia voatery nanome ny Zanany Lahitokana Andriamanitra mba hisolo azy noho ny otany. Mandra-pahaterak’i Jesosy, ny olo-masina rehetra tao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy maintsy...

Toy izao no tena FIFOHAZANA

Rehefa ny olona eny amin’ny arabe no matahotra ny hiloa-bava hamoaka teny manohitra an’Andriamanitra fandrao hianjeran’ny FITSARAN’ANDRIAMANITRA ; REHEFA NY MPANOTA ampangorohoroan’ny FANATREHAN’ANDRIAMANITRA, mangovitra eny an’arabe ka mitalaho famindrampo ; rehefa mifofofofo mamaky vohitra sy ny tanana ny hery tsy TAKATR’OLOMBELONA « FANAHY MASINA », ka mahazo mafy ny olona amin’ny fiaikena mampivarahontsana, na dia tsy nisy FIVORIANA manokana na FAMPIELEZANA akory aza...

Miverena any Betela 002

TOKO VOALOHANY MIVERENA ANY BETELA Mba ahazoanay manolotra ny hafatra ho anao izao maraina izao, ka ahafahanao mandre ny feon’ ny Fanahy Masina dia ilaina ny hamakiana ireto andalan-tSoratra Masina roa ireto, satria ho raisintsika ny fiainan’ i Jakoba mba ho sary azo ampiharina amin’ ny fiainan’ ny kristiana maro. Noho izany, dia ilaina ny mahalala ny tantara hatramin’ ny voalohany ka hatramin’...