Surprise : Tonga tany Rosia aho
Voninahitra ho an’i Jesosy no ahafahako mijoro vavolombelona.
Ny volana oktobra dia volan’ny « surprise » ho an’ny fiangonana Jesosy Mamonjy Ambohimamory. Anisany mba nisatraka izany « surprise » izany ny tenako .Nandritran’io volana io dia nisy fotoana nanambara ny mpanompon’Andriamanitra fa hisy mpino hahazo « suprise » ary mety hisy handeha ho any ivelany aza noraisiko sy ninoako io teny io araka ny ao amin’ny 2 Tantara20:20 « minoa ny mpaminaniny ,dia hambinina ianareo »satria efa faniriako hatramin’izay ny andeha any ivelany indrindra Rosia noho ny antony maro izay tsy lazaiko eto . Mpianatra aho ary nisy fotoana dia nisy fifaninana hetsika ara-kolontsaina tamin’ny teny vahiny(rosiana) tao amin’ny toerana niaranarako ary izay maharesy dia nahazo fivahinianana 10 andro ao Rosia. Nandray anjara tamin’ny izany aho ary voninahitra ho an’i Jesosy fa tafavoaka mpandresy tamin’ny fifaninana izay nataoko. Rehefa afaka izany dia mandram-piandry ny taratasy rehetra andeanako dia nentiko ambavaka ny diako . Nangataka tamin’ny Jesosy fahitam-pitia aho na aiza na aiza alehako ary nangataka ihany koa mba hisehoan’ny voninahitr’Andriamanitra ny fiainanako . Nandritran’ny fikarakarana ny taratasy dia vita sy tontosa ny zavatra rehetra ny VISA-ko dia iray andro dia vita. Nohon’ny fifanjevoan’ny fotoana anefa andro maro talohan’ny nandeanako nilaza tamin’ny RAD aho fa aza aterina satria tsy fotoana maharitra no ijanonako any ivelany. Rehefa tena tonga ny fotoana andeanako dia voasakana aho tsy ampy taona ary tokony nanaovana taratasy fanomezan-dalana avy amin’ny ray aman-dreniko . Nisy mpitandro ny filaminana nilaza fa tsy afaka ny andeha mihitsy aho noho ny tsy fahampian’io taratasy io. Azonareo an-tsaina angamba hoe tokony ahoana ny fihetsem-poko tao anatin’izany .Kanefa natoky ny Tompo aho niantso ny ray aman-dreniko aho ary nilaza azy ireo fa ilaina maika teo Ivato izy ireo ny ora anefa efa antomotra alohan’ny embarquement . Nivavaka aho tsy norarahiko izay mason’olona . Akory ny fahagagana nataon’i Jesosy fa nisy rangahy iray manam-pahefana tao amin’ny Aeroport nanao intervention ho ahy ary nilaza fa havany aho ka ny RAD no antsoina anao taratasy fa izaho tsy maintsy mandeha ary dia lasa aho . Nandritran’ny fotoana nivahinianako dia nitety toerana efatra tany Rosia aho dia fianakaviana rosiana no nipetrahako tany ary tena nahita fitia teo anatrehan’ireo aho . Azoko lazaina ny hoe mbola tsy nahita olona mahay mampiantrano sy mahay mandray noho izy ireo aho. Tiako sy tia ahy izy ireo ary tamin’ny alahelo sy andranomaso no nifanaovanay veloma . Izany ry havana no fahatsaran’ilay Jesosin-tsika.
Tsy miova izy !Dia mbola voninahitra ho Jesosy
Jesosy Mamonjy Ambohimamory