Miverena any Betela 003

Eo anelanelan’ ny toko faha-28 sy ny toko faha-35, dia maro ny taona lany ary tao anatin’ izany dia nisy zava-dehibe roa loha niseho tamin’ ny fiainan’ i Jakoba. Nandalo zava­tsarotra maro izy, kanefa notanan’ Andriamanitra hatrany ny tenifikasany izay nataony tamin’ i Jakoba. Nanao fanekena tamin’ Andriamanitra Jakoba hoe : Raha ataonao amiko izao, Tompo ô !dia hataoko kosa izao ho valin’ izany. Tsy nanova ny teniny Andriamanitra na dia nandao an’ i Betela aza Jakoba ka lasa nonina tany SEKEMA.

Nefa na dia manadino ny fanekeny amin’ Andriamanitra aza ny olona, Andriamanitra kosa mampahatsiaro antsika mandrakariva ny FANOLORANTENANTSIKA VOALOHANY. Hitantsika ny fanomezana io fahamarinana io ao amin’ ny toko faha-35 amin’ ny Genesisy. Nahoana moa Andriamanitra eto no nanery an’ i Jakoba hiverina any Betela? Hahafantatra bebe kokoa ny hafatra isika amin’ ny famakiana ny toko faha-35.

‘Ary hoy Andriamanitra tamin’ i Jakoba : Miaingà, mia­kara any Betela ianao ka monena any, ary manorena alitara any ho an’ Andriamanitra Izay niseho taminao fony ianao nandositra ny tavan’ i Esao rahalahinao.

Dia hoy Jakoba tamin’ izay tao an-tranony mbamin’ izay rehetra nomba azy : ‘Ario ireo andriamanin-kafa izay ao ami­nareo dia madiova sady ovay ny fitafianareo ary andeha hiainga isika ka hiakatra any Betela, ary hanao alitara any aho ho an’ Andriamanitra, Izay nihaino ahy tamin’ ny andron’ ny fahoriako ary nomba ahy tamin’ ny làlana izay nalehako rehe­tra ». Dia natolony teo amin’ i Jakoba ny andriamani-kafa rehe­tra izay notanany sy ny kavina izay teny an-tsofiny ; Ary dia nalevin’ i Jakoba tao am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’ i Sekema ireo.

Dia lasa nandeha izy ; Ary nisy tahotra avy amin’ An­driamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy, ka tsy nanen­jika ny zanak’ i Jakoba izy.

Ary Jakoba dia tonga tany Lozy (Betela izany) izay any amin’ ny tany Kanana, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy. Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe : El-Betela no anaran’ izany tany izany, fa teo no nisehoan’ Andriamanitra taminy fony izy nandositra ny tavan’ ny rahalahiny.

Ary Andriamanitra niseho indray tamin’ i Jakoba raha tonga avy tany Mesopotamia izy ka nitahy azy. Ary hoy Andriamanitra taminy : Jakoba no anaranao, nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Isiraely no ho anaranao ; dia nataony hoe ISIRAELY no anarany. Gen. 35:1-7, 9-10.