Ny Kristiana dia Epistilin’i Kristy
Vakian’ ny hafa ny fiainanao. Tsy afa-mivelona amin’ity fiainana ity isika ka tsy ho hitan’ olona ; Eny, ny sasany aza manahaka antsika sy manaraka ny diantsika. Isan’ andro ny fiainantsika dia voarakitra ao an-tsain’ ny olona, ary voasoratra fa « Isika no epistilin’ i Kristy ». II Kor. 3 : 3. Koa ny famakian’ ny olona ny fiainantsika dia midika ho...
































