Toriteny

Miverena any Betela 005

Na dia zavatra tsy tsara aza no niseho tamin’ ny fiainan’ i Jakoba, izany dia mampiseho ny fahalemen’ ny olombelona izay tokony ho noresen’ i Jakoba. Very ny firaisan’ i Jakoba tamin’ Andriamanitra raha tonga tao Sekema izy, noho ny nahitany ny sampin’ ny Jentilisa sy nanarahany izany. Niverina tamin’ ny fiainany ta­loha izy sady voataona tamin’ ny ratsy koa ny...

Miverena any Betela 006

Rehefa mifandimby hatrany ny taona, dia tokony hisy eo amin’ ny fiainantsika ny fiovàna. Toy ny Kompania lehibe iray izay mandinika ny bokiny amin’ ny faran’ ny taona mba hahi­tana na nahazo tombony izy, na maty antoka tamin’ iny taona iny. Jereny na nahazoana tombony, na nahafatesana antoka ny taona niasàna. Inoako fa sitrak’ Andriamanitra ny hankalazantsika ny voalohan’ ny taona mba ahafahantsika...

Fiainana araka an’Andriamanitra

Mba hisian’ ny fitomboan’ ny fahasoavana kristiana tsara dia tokony hisy fanazarana mitohy, fitandremana ary fampiharana amin’ ny fomban’ Andriamanitra. Ny mpanao fanatanjahan-tena dia manao karazana fanaza­rana sy mihinana karazan-tsakafo izay hampitombo tsara sy ham­pahatanjaka ny nofony. Ny fanahy manana faniriana fatratra sy hetaheta hofenoina an’ Andriamanitra bebe kokoa, dia tsy maintsy manao fanazarana ahazoany fahafaham-po amin’ izany faniriany fatratra izany. Raha toa faniriana tsotran’ny...

Miarahaba antsika tratry ny Paska 2013

Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo !Faly miarahaba antsika ny Lalamasaka hatry ny ela tratr’izao andro Paska izao.Ny herin’ny Fitsanganan’i Jesosy Kristy Tompontsika anie hampijoro antsika hatrany amin’ny fanarahana Azy, hanangana indray izay efa lavo ka hamerina ny maro amin’ny Lalamasaka hatry ny Ela, ary koa ny Famonjena vitany hanavotra ireo izay mbola ao anatin’ny fahotana Amin’ny fonay rehetra

Miaike, Mibebaha, Minoa

MIAIKE amin’ Andriamanitra fa mpanota meloka sy voahe­loka eo anatrehany ianao, efa nandika ny didiny ianao. Miaike fa tsy afa-mamonjy tena ianao ; Fa raha tsy misy an’ i Jesosy Kristy ho Mpamonjy ny tenanao manokana, dia very tsy manana fanantenana ianao ary voaheloka ho any amin’ ny helo. MIBEBAHA AMIN’ NY OTANAO. Miaike ka ilaozy ny ota rehetra. Aoka hanenina ny...

Ny fijangajangana sy ny voka-dratsy aterany

NY FAHOTANA IZAY MITARIKA FAHAFATESANA BETSAKANY FAHOTANA IZAY MAHATONGA NY FAHATEZERAN’ ANDRIAMANITRA. Io fahotana io no nahatonga ny safodrano teto ambonin’ny tany izay nandringana ny olombelona rehetra sy ny biby afa-tsy Noa sy ny ankohonany. Io fahotana io no nahatonga an’ Andriamanitra handatsaka afo sy solifara tao Sodoma sy Gomora, ary koa handroaka ny mponina voalohany tany amin’ ny tanin’ i Palestina. Nahatonga...

Tia amin’ny asa fa tsy amin’ny teny

Ny lehilahy dia tsy haharesy lahatra ny vadiny hoe tia azy amin’ ny fitenenany izany fotsiny, fa afaka handresy lahatra an­dravehivavy izy amin’ ny asany. Tokony ho tia isika, tsy amin’ ny teny fotsiny, fa amin’ ny asa sy ny fahamarinana. Hoy Jesosy : « Raha misy tia Ahy, dia hi­tandrina ny teniko izy ».Jao. 14 : 23. Io no fandrefesana tsy...

Fanaka omem-boninahitra 2 (tohiny)

Ao amin’ ny II Tim. 2   :   20, 21 dia mitanisa zavatra telo Paoly   :   Ny fanaka omem-boninahitra dia « EFA NOHAMASI­NINA », MAHASOA HO AN’ NY TOMPO », VOAVOATRA HO AMIN’ NY ASA TSARA REHETRA ». Nohamasinina Ny TENIN’ ny Testamenta no foto­try ny fiainana kristiana… Ary izay tsy hanomboka amin’ ny fomba matotra izay nolazain’ i Jesosy tamintsika dia TSY MBA HANAO FANDROSOANA LEHIBE na...