« Izao no lazain’i Jehovah: Mijanòna eo an-dàlana ianareo ka izahao, ary anontanio izay Lalana Masaka Hatry ny Ela, dia izay làlana tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. » Jeremia 6:16 

Tsy maintsy miasa isika raha mbola antoandro ny andro

Hoy Andriamanitra, « Anaka, miasà any an-tanimboalo­boko … » Isika no vavolombelony. Izay no hany antony ametrahan’ Andriamanitra ny zanany eto amin’ izao tontolo izao, ho vavolom­belona sy fanasina amin’ ity izao tontolo izao mahantra ity. Mety hiteny ianao hoe : « Efa nanandrana aho nefa tsy rototra ny olona ». Eny, fantatra izany, nefa na dia izany aza, mpiambina ny rahala­hinao ianao. Tsy maintsy mampitandrina azy...

Ny Famonjena no antony nahatongavan’i Jesosy

Ny Famonjena no Iohateny FOTOTRA ao amin’ny Filazantsara, sady hafatra lehibe indrindra nomena ny olona : «Hiteraka ZAZALAHY izy ary ny Anarany atao hoe : JESOSY, satria Izy no HAMONJY ny olony HO AFAKA amin’ny FAHOTANY». Mat. 1:21. Nilaza mialoha ny fiavian’i Jesosy ny mpaminany lsaia, sady NANOME NY ANTONY : «Eny Izy tokoa no ho avy ka HAMONJY ANAREO»....

Ny herin’ny vavaka

Mandrakariva, ny vavaka, indrindra ho an’ny Mpanompon’Andriamanitra, dia tonga atao ambanin-javatra na tena tsy dia ankasitrahana loatra. Misy fotoana hahenoantsiika fanakianana mihitsy ny fampiharana azy, ohatra ny hoe fandrebirebena na mampihen-danja ny asa fanompoana ny fanaovana azy raha toa ka izy no zava-dehibe indrindra ilain’Andriamanitra. Koa sakanana ny fanaovana ny vavaka mba hanehoana ny tena hoe mahomby. Azo antoka noho...

Fahamasinana sy Fakam-panahy 3 (tohiny)

TSY NY FAKAMPANAHY no mahatonga ota fa ny filavoana lefona amin’ ny fakam-panahy. Tonga eo amin’ ny saina aloha ny FAKAMPANAHY… io no ambaratonga voalohany indrindra amin’ ny fakampanahy. Avy eo dia tafafindra any amin’ ny fitaovam-pandrenesana izany, ny filàna, ny faniriana ary ny fihetseham-po, dia manambara ny loza raha sendra voahetsiky ny faniriana ireo… Tonga eo amin’ ny am­baratonga saro-pady eo...