« Izao no lazain’i Jehovah: Mijanòna eo an-dàlana ianareo ka izahao, ary anontanio izay Lalana Masaka Hatry ny Ela, dia izay làlana tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. » Jeremia 6:16 

Miverena any Betela 002

TOKO VOALOHANY MIVERENA ANY BETELA Mba ahazoanay manolotra ny hafatra ho anao izao maraina izao, ka ahafahanao mandre ny feon’ ny Fanahy Masina dia ilaina ny hamakiana ireto andalan-tSoratra Masina roa ireto, satria ho raisintsika ny fiainan’ i Jakoba mba ho sary azo ampiharina amin’ ny fiainan’ ny kristiana maro. Noho izany, dia ilaina ny mahalala ny tantara hatramin’ ny voalohany ka hatramin’...

Miverena any Betela 003

Eo anelanelan’ ny toko faha-28 sy ny toko faha-35, dia maro ny taona lany ary tao anatin’ izany dia nisy zava-dehibe roa loha niseho tamin’ ny fiainan’ i Jakoba. Nandalo zava­tsarotra maro izy, kanefa notanan’ Andriamanitra hatrany ny tenifikasany izay nataony tamin’ i Jakoba. Nanao fanekena tamin’ Andriamanitra Jakoba hoe : Raha ataonao amiko izao, Tompo ô !dia hataoko kosa izao ho...

Miverena any Betela 004

Feno fahatsapana izay azo ampiharina amin’ ny fiainan’ olona maro ny fiainan’ i Jakoba. Ny toerana sarobidy indrindra dia BETELA, izay nise­hoan’ Andriamanitra tamin’ i Jakoba raha nandositra an’ i Esao rahalahiny izy. Raha vao nanomboka nanaraka ny Tompo Jakoba dia nanana fahalemena betsaka, satria nanana toetra « miady varotra », raha misy zavatra tsy miteraka tom­bontsoa ho azy dia tsy tiany ny manaraka izany...

Miverena any Betela 005

Na dia zavatra tsy tsara aza no niseho tamin’ ny fiainan’ i Jakoba, izany dia mampiseho ny fahalemen’ ny olombelona izay tokony ho noresen’ i Jakoba. Very ny firaisan’ i Jakoba tamin’ Andriamanitra raha tonga tao Sekema izy, noho ny nahitany ny sampin’ ny Jentilisa sy nanarahany izany. Niverina tamin’ ny fiainany ta­loha izy sady voataona tamin’ ny ratsy koa ny...

Miverena any Betela 006

Rehefa mifandimby hatrany ny taona, dia tokony hisy eo amin’ ny fiainantsika ny fiovàna. Toy ny Kompania lehibe iray izay mandinika ny bokiny amin’ ny faran’ ny taona mba hahi­tana na nahazo tombony izy, na maty antoka tamin’ iny taona iny. Jereny na nahazoana tombony, na nahafatesana antoka ny taona niasàna. Inoako fa sitrak’ Andriamanitra ny hankalazantsika ny voalohan’ ny taona mba ahafahantsika...

Fiainana araka an’Andriamanitra

Mba hisian’ ny fitomboan’ ny fahasoavana kristiana tsara dia tokony hisy fanazarana mitohy, fitandremana ary fampiharana amin’ ny fomban’ Andriamanitra. Ny mpanao fanatanjahan-tena dia manao karazana fanaza­rana sy mihinana karazan-tsakafo izay hampitombo tsara sy ham­pahatanjaka ny nofony. Ny fanahy manana faniriana fatratra sy hetaheta hofenoina an’ Andriamanitra bebe kokoa, dia tsy maintsy manao fanazarana ahazoany fahafaham-po amin’ izany faniriany fatratra izany. Raha toa faniriana tsotran’ny...

Miarahaba antsika tratry ny Paska 2013

Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo !Faly miarahaba antsika ny Lalamasaka hatry ny ela tratr’izao andro Paska izao.Ny herin’ny Fitsanganan’i Jesosy Kristy Tompontsika anie hampijoro antsika hatrany amin’ny fanarahana Azy, hanangana indray izay efa lavo ka hamerina ny maro amin’ny Lalamasaka hatry ny Ela, ary koa ny Famonjena vitany hanavotra ireo izay mbola ao anatin’ny fahotana Amin’ny fonay rehetra

Miaike, Mibebaha, Minoa

MIAIKE amin’ Andriamanitra fa mpanota meloka sy voahe­loka eo anatrehany ianao, efa nandika ny didiny ianao. Miaike fa tsy afa-mamonjy tena ianao ; Fa raha tsy misy an’ i Jesosy Kristy ho Mpamonjy ny tenanao manokana, dia very tsy manana fanantenana ianao ary voaheloka ho any amin’ ny helo. MIBEBAHA AMIN’ NY OTANAO. Miaike ka ilaozy ny ota rehetra. Aoka hanenina ny...