Ry tanora, hotsarain’Andriamanitra izay manambady olona efa manan-tokantrano

Nataon’i Heroda tao an-tranomaizina Jaona Mpanao batisa noho ny famelivelezana ny fijangajangana ka nanaovany hoe : « Tsy ara-dalàna aminao ny manambady ny vadin’i Filipo rahalahinao » .Tezitra mafy Herodiasy satria tiany ny hitoetra amin’ny maha-vadin’ny mpanjaka azy, koa dia namelatra fandrika tamin’i Heroda izy mba hampanantenany azy ny lohan’i Jaona Mpanao batisa. Nampalahelo an’i Heroda izany zavatra izany, kanefa noho ny sain’i Heroda voafehin’ny fijangajangana loatra dia tsy sahy nanohitra ny fangatahan’i Herodiasy izy ka dia notapahiny ny lohan’i Jaona Mpanao – batisa. FA TSY MATORITORY AKORY NY FITSARAN’ANDRIAMANITRA… Any amin’ny helo ireo izao… Tsy marina teo anatrehan’Andriamanitra mantsy ny nataony na dia mpanjaka sy mpanapaka aza izy ireo.

Ary helohin’Andriamanitra ny fianakaviana rehetra raha mamela ny zavatra toy izany hitohy ! Tsy afa-milalao afo ka tsy ho may lamba ianao. Izay atao mba hanakanana ny fijangajangana ary dia tsy famelana ny zanakao hiaraka amin’olona nisaraka am-panambadiana na mbola manambady. Ho valian’Andriamanitra araka izay nataony avy ny olona. Mora dia mora tokoa ny mandeha mijangajanga ka mandao ny vady aman-janaka ary mamela azy ireo hijaly sy hitomany…fa ho lehibe lavitra noho izay nafafinao ny vokany. Ny voam-bary iray miteraka voam-bary zato, koa ampitomboy toy izany ny fahotanao ary manampoiza fa tsy maintsy hiverina aminao izany. Lalàna tsy azo lavina izany ! AZA METY HOFITAHINA IANAREO… ANDRIAMANITRA TSY AZO VAZIVAZIANA…, fa izay afafin’ny olona no hojinjainy koa ! (Gal.6 :7).