Lalamasaka Hatry ny Ela

Resy ny Ambalavelona. Vavolombelona tantaraina num1. Pasteur Miandry Rabenarivelo

Ny ©Lalamasaka Hatry ny Ela dia manana Studio Video harifomba natokana handraisana an-tsary sy feo ireo rehetra nanaovan’Andriamanitra asa mahagaga manerana ny Fiangonana Jesosy Mamonjy indrindra ireo any amin’ny toerana saro-dalana. Ny vavaka ataonay dia ny hitomboan’ny finoanao mba handraisanao fahagagana avy amin’Andriamanitra, indrindra raha manana olana na tsy fahasalamana mitovy amin’ity fijoroana vavolombelona ity ianao.

Andriamanitra tsy azo vazivaziana Bro Daoud, Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Andriamanitra tsy azo vazivaziana.Ny vokatry ny fahotan’ny fahatanorana. Ny maha zava-dehibe ny manambady olom-boavonjy. Ny sazin’ny fanambadiana mpanota. Ireo fitandremana tokony hatao sy tokony ho fantatra mialohan’ny hidirana amin’ny fifamatorana amin’ny mariazy.Toriteny sy fampianarana ho an’ny tanora. Azon’ny mpitaiza tanora sy ny Ray aman-dReny manana tanora hakàna lesona hanoroana lalana azy ireo.

Fanamasinana BroDaoud, Jesosy Mamonjy Ankorondrano

Mialohan’ny hahatongavan’ny Fifohazana dia tsy maintsy misy ny Fanamasinan’Andriamanitra. Ny Fifohazam-panahy dia tsy tongatonga amin’izao fa tsy maintsy mivavaka isika mba hisintonana izany avy any ambony hidina ety an-tany. Andriamanitra tsy miara-miasa amin’ny vahoaka izay tsy manolon-tena tanteraka, fa miasa Izy raha isika manao ny anjarantsika.

Mariky ny Bibidia, Jesosy Mamonjy Ankorondrano Bro Daoud

Mark of the Beast, Bro Daoud, Jesosy Mamonjy Ankorondrano « Ao anatin’ny vanim-potoan’ny andro farany isika izao. Hisy fiovana tampoka ao anatin’ny fotoana fohy eto amin’izao tontolo izao. Raha hiteny aho hoe tokony hivavaka ianao, dia anio izay fotoana izay fa tsy tokony hangatak’andro ». Fr Daoud

0

Ny niandohan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy 1961 part 1 of 4

Ireo Fiangonana maritiora. Ity horonantsary ity dia noraiketina sy novokarin’ireo Misionera MA Daoud mivady tamin’ny 1961. Ny fotoana nandraiketana azy ity no fotoana nanamarika ny niandohan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy izay naorin’izy ireo. Natolotray ho azy mivady ny Siteweb : https://lalamasaka.mg ho fahatsiarovana sy hanohizana ireo asa lehibe nampanaovin’Andriamanitra azy teto amin’ny firenenay. Manasa anao izahay hijery ny horonantsary 4 mitohy.