Toriteny

Miarahaba antsika tratry ny Paska 2013

Efa nitsangana marina tokoa ny Tompo !Faly miarahaba antsika ny Lalamasaka hatry ny ela tratr’izao andro Paska izao.Ny herin’ny Fitsanganan’i Jesosy Kristy Tompontsika anie hampijoro antsika hatrany amin’ny fanarahana Azy, hanangana indray izay efa lavo ka hamerina ny maro amin’ny Lalamasaka hatry ny Ela, ary koa ny Famonjena vitany hanavotra ireo izay mbola ao anatin’ny fahotana Amin’ny fonay rehetra

Miaike, Mibebaha, Minoa

MIAIKE amin’ Andriamanitra fa mpanota meloka sy voahe­loka eo anatrehany ianao, efa nandika ny didiny ianao. Miaike fa tsy afa-mamonjy tena ianao ; Fa raha tsy misy an’ i Jesosy Kristy ho Mpamonjy ny tenanao manokana, dia very tsy manana fanantenana ianao ary voaheloka ho any amin’ ny helo. MIBEBAHA AMIN’ NY OTANAO. Miaike ka ilaozy ny ota rehetra. Aoka hanenina ny...

Ny fijangajangana sy ny voka-dratsy aterany

NY FAHOTANA IZAY MITARIKA FAHAFATESANA BETSAKANY FAHOTANA IZAY MAHATONGA NY FAHATEZERAN’ ANDRIAMANITRA. Io fahotana io no nahatonga ny safodrano teto ambonin’ny tany izay nandringana ny olombelona rehetra sy ny biby afa-tsy Noa sy ny ankohonany. Io fahotana io no nahatonga an’ Andriamanitra handatsaka afo sy solifara tao Sodoma sy Gomora, ary koa handroaka ny mponina voalohany tany amin’ ny tanin’ i Palestina. Nahatonga...

Tia amin’ny asa fa tsy amin’ny teny

Ny lehilahy dia tsy haharesy lahatra ny vadiny hoe tia azy amin’ ny fitenenany izany fotsiny, fa afaka handresy lahatra an­dravehivavy izy amin’ ny asany. Tokony ho tia isika, tsy amin’ ny teny fotsiny, fa amin’ ny asa sy ny fahamarinana. Hoy Jesosy : « Raha misy tia Ahy, dia hi­tandrina ny teniko izy ».Jao. 14 : 23. Io no fandrefesana tsy...

Fanaka omem-boninahitra 2 (tohiny)

Ao amin’ ny II Tim. 2   :   20, 21 dia mitanisa zavatra telo Paoly   :   Ny fanaka omem-boninahitra dia « EFA NOHAMASI­NINA », MAHASOA HO AN’ NY TOMPO », VOAVOATRA HO AMIN’ NY ASA TSARA REHETRA ». Nohamasinina Ny TENIN’ ny Testamenta no foto­try ny fiainana kristiana… Ary izay tsy hanomboka amin’ ny fomba matotra izay nolazain’ i Jesosy tamintsika dia TSY MBA HANAO FANDROSOANA LEHIBE na...

Moa ve ny Kristiana afaka mivelona tsy misy ota?

Ny mivelona tsy manota dia fiteny mahatohina ny olona maro, kanefa amin’ ny fomba ahoana indray no ahatanterahana ny zava-kinendry lehibe tamin’ ny nanirahana an’ i Kristy teto amin’ izao tontolo izao ? Tonga Izy hamonjy ny olona ho afaka amin’ ny fahotany, kanefa raha tàhiny ny kristiana tsy mety voavonjy afaka amin’ ny fahotana, araka ny fampianaran’ ny mpampianatra sy mpitondra fiangonana...

Miverena any Betela 007

Aoka ho raisintsika ny voady izay nataon’ i Jakoba : « Dia ho an’ Andriamanitra IANAO ».Tokony hiteny amin’ ny Tompo isika fa ho mahatoky amin’ ny famonjena fivoriana amin’ izao taona vaovao izao. Hamaky Baiboly bebe kokoa isan’ andro aho noho izay nataoko tamin’ ny taon-dasa. Hanome fotoana bebe kokoa ho an’ ny vavaka mihoatra noho ny tamin’ ny taon-dasa aho. Tamin’...

Toy izao no tena FIFOHAZANA

Rehefa ny olona eny amin’ny arabe no matahotra ny hiloa-bava hamoaka teny manohitra an’Andriamanitra fandrao hianjeran’ny FITSARAN’ANDRIAMANITRA ; REHEFA NY MPANOTA ampangorohoroan’ny FANATREHAN’ANDRIAMANITRA, mangovitra eny an’arabe ka mitalaho famindrampo ; rehefa mifofofofo mamaky vohitra sy ny tanana ny hery tsy TAKATR’OLOMBELONA « FANAHY MASINA », ka mahazo mafy ny olona amin’ny fiaikena mampivarahontsana, na dia tsy nisy FIVORIANA manokana na FAMPIELEZANA akory aza...