« Izao no lazain’i Jehovah: Mijanòna eo an-dàlana ianareo ka izahao, ary anontanio izay Lalana Masaka Hatry ny Ela, dia izay làlana tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. » Jeremia 6:16 

Tia amin’ny asa fa tsy amin’ny teny

Ny lehilahy dia tsy haharesy lahatra ny vadiny hoe tia azy amin’ ny fitenenany izany fotsiny, fa afaka handresy lahatra an­dravehivavy izy amin’ ny asany. Tokony ho tia isika, tsy amin’ ny teny fotsiny, fa amin’ ny asa sy ny fahamarinana. Hoy Jesosy : « Raha misy tia Ahy, dia hi­tandrina ny teniko izy ».Jao. 14 : 23. Io no fandrefesana tsy...

Fanaka omem-boninahitra 2 (tohiny)

Ao amin’ ny II Tim. 2   :   20, 21 dia mitanisa zavatra telo Paoly   :   Ny fanaka omem-boninahitra dia « EFA NOHAMASI­NINA », MAHASOA HO AN’ NY TOMPO », VOAVOATRA HO AMIN’ NY ASA TSARA REHETRA ». Nohamasinina Ny TENIN’ ny Testamenta no foto­try ny fiainana kristiana… Ary izay tsy hanomboka amin’ ny fomba matotra izay nolazain’ i Jesosy tamintsika dia TSY MBA HANAO FANDROSOANA LEHIBE na...

Moa ve ny Kristiana afaka mivelona tsy misy ota?

Ny mivelona tsy manota dia fiteny mahatohina ny olona maro, kanefa amin’ ny fomba ahoana indray no ahatanterahana ny zava-kinendry lehibe tamin’ ny nanirahana an’ i Kristy teto amin’ izao tontolo izao ? Tonga Izy hamonjy ny olona ho afaka amin’ ny fahotany, kanefa raha tàhiny ny kristiana tsy mety voavonjy afaka amin’ ny fahotana, araka ny fampianaran’ ny mpampianatra sy mpitondra fiangonana...

Miverena any Betela 007

Aoka ho raisintsika ny voady izay nataon’ i Jakoba : « Dia ho an’ Andriamanitra IANAO ».Tokony hiteny amin’ ny Tompo isika fa ho mahatoky amin’ ny famonjena fivoriana amin’ izao taona vaovao izao. Hamaky Baiboly bebe kokoa isan’ andro aho noho izay nataoko tamin’ ny taon-dasa. Hanome fotoana bebe kokoa ho an’ ny vavaka mihoatra noho ny tamin’ ny taon-dasa aho. Tamin’...

Toy izao no tena FIFOHAZANA

Rehefa ny olona eny amin’ny arabe no matahotra ny hiloa-bava hamoaka teny manohitra an’Andriamanitra fandrao hianjeran’ny FITSARAN’ANDRIAMANITRA ; REHEFA NY MPANOTA ampangorohoroan’ny FANATREHAN’ANDRIAMANITRA, mangovitra eny an’arabe ka mitalaho famindrampo ; rehefa mifofofofo mamaky vohitra sy ny tanana ny hery tsy TAKATR’OLOMBELONA « FANAHY MASINA », ka mahazo mafy ny olona amin’ny fiaikena mampivarahontsana, na dia tsy nisy FIVORIANA manokana na FAMPIELEZANA akory aza...

Ny herin’ny vavaka

Mandrakariva, ny vavaka, indrindra ho an’ny Mpanompon’Andriamanitra, dia tonga atao ambanin-javatra na tena tsy dia ankasitrahana loatra. Misy fotoana hahenoantsiika fanakianana mihitsy ny fampiharana azy, ohatra ny hoe fandrebirebena na mampihen-danja ny asa fanompoana ny fanaovana azy raha toa ka izy no zava-dehibe indrindra ilain’Andriamanitra. Koa sakanana ny fanaovana ny vavaka mba hanehoana ny tena hoe mahomby. Azo antoka noho...

Ny fomba hanatonana ny Tenin’Andriamanitra

Tonga eo anatrehan’ny Tenin’Andriamanitra ianao, mba handre an’Andriamanitra MITENY AO AM-PONAO. Izay lazain’ANDRIAMANITRA ao amin’ny teniny dia aza avela hisy atao tsirambina, na hoe : « Natao ho an’ny hafa izany !». Aza diso anjara amin’ny fitahian’ANDRIAMANITRA amin’ny HITENENANY MIVANTANA AMINAO. Koa rehefa manatona ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia manatòna amin’ny fisainana te hanaja, mba hihaino tsara IZAY LAZAIN’NY RAINTSIKA avy any an-danitra...

Azonao atao ny ho voavonjy amin’izao androm-pahavelomana izao

Ny famonjena Ny famonjena no foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny tantaran’ny filazantsara, ary izy no hafatra lehibe indrindra nampitondraina ho an’ny olona. Taon-jato maro talohan’ny nahatongavan’ny Mesia no efa naminanian’i isaia ny hiaviany ka nanaovany hoe: “Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo” (Isa.35:4). Raha nanambara ny haterahany ny anjelin’Andriamanitra dia nilaza ny momba an’i Maria tamin’i Josefa hoe:...