Rev. Mounir Aziz Daoud

Misionera sady Mpanonta Baiboly. Teraka tao Iraq ary lehibe tany Egypta. Nanangana ny ozinina lehibe mpanota Baiboly izy sy ny vadiny Jane Collins Daoud tao Dallas Texas, dia ny International Bible Association, toerana fanotana Baiboly lehibe izay mandika sy mizara Baiboly amin’ny fitenim-pirenena maro. Izy ireo no Mpanorina ny Fiangonana Jesosy Mamonjy eto Madagasikara, izay hany fiangonana naoriny tamin’ireo firenena maro nandalovany. Tso-piaina izy ireo ary nanana fanetrentena lalina, fahamasinam-piainana ary olon’Andriamanitra sahy naneho ny finoany. Naneho fahasaro-piaro tamin’ny fiangonana naoriny izy ary hentitra dia hentitra tamin’ny fotom-pampianaran’ny Tenin’Andriamanitra nentiny. Maty teo amin’ny sahan’ny Tompo teto Madagasikara izy.

Teraka ny : 6 jona 1924, Mosul, Nineveh, Iraq

Maty ny : 12 febroary 2004, 79 taona, Antananarivo-Renivohitra, Analamanga, Madagasikara

Nalevina ao amin’ny : Fasam-piangonana Jesosy Mamonjy, Soamanandray Ivato, Antananarivo Madagasikara

Vady : Jane Marie Collins Daoud, 1912-1999