Administrator

Arahabaina nahatratra ny taona 2024

Ny Ekipa rehetra eto amin’ny Lalamasaka Hatry Ny Ela dia miarahaba antsika rehetra nahatratra ny taona vaovao 2024.Ny Fahasoavan’Andriamanitra anie ho amintsika indray mandavan’ny taona. Hahefa ny adidy sy andraikitra sahanina, ary ho voatahiry ao amin’ny Famonjena hatrany. Amen ! Amin’ny fonay rehetra. #lalamasaka #happynewyear2024 >>Klikeo ny video eo ambany >>Aza adino fa mbola misy foana ny Dvd tantaran’ny Fiangonana...

Noely 2024 Jesosy Mamonjy Ankorondrano – Mvo

Mirary fetin’ny NOELY sambatra daholo, dia mba samy hahavita ny anjarany. Fa ny anay aloha efa vita soa noho ny fanampian’ny Tompo.#smile#noel2023#jesosymamonjy#Ankorondrano#symphony Manome fotoana indray amin’ny réveillon 2023 eto amin’ny Jesosy Mamonjy Ankorondrano.@followersMusics and Voice Orchestra Jesosy Mamonjy

Famaranana ny fankalazana Jesosy Mamonjy 60 taona – Mvo -Palais des Sports

Misaotra ny Tompo fa vita soamantsara ny Fankalazana ny faha 60 taonan’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Hiasa tsy mitsahatra ho an’ny Fiangonana isika, hanabe sy hitaiza hatrany ny ankizy sy tanora zanaky ny Fiangonana, ho olom-banona, modely amin’ny toe-panahy araka an’Andriamanitra, ho vavolombelon’ny Kristy eo anivon’ny mpiara-belona. Mbola hitohy haneho hatrany izahay Mpanabe eto amin’ny Musics and Voice Orchestra Jesosy Mamonjy...

Boky sy DVD Film documentaire. Tantaran’ny Fiangonana Jesosy Mamonjy. Fankalazana faha 60 taona

Noho ny fanampian’ny Tompo dia nahavita nandrafitra ny Tantaran’ny Fiangonana isika ho tsangambaton’ny faha 60 taona. DVD Film sy Boky miaraka izy ireto, izay azonao jifaina amin’ny vidiny mirary, mba hananan’ny isan-tokantrano azy. Sarobidy dia sarobidy tokoa ny fananana azy ireo, satria mamelona ao anaty indray ny tantara navelan’ireo Mpanorina ny Fiangonana, ary manetsika ny fo hahatsiaro ny antson’Andriamanitra azy...