MA Daoud

Fitiavana refesina amin’ny Fankatoavana

FITIAVANA REFESINA AMIN’ NY FANKATOAVANA Ny fitiavantsika tsy mba refesina amin’ ny fihetseham-po… toy ny hoe : impiry isika no mitomany, na ny fanambarana hoe toa inona no haben’ ny fitiavantsika an’ Andriamanitra… fa ny fitia­vantsika dia asehon’ ny fankatoavantsika ! « Raha tia Ahy ianareo dia hitandrina ny didiko ». Miasa mafy ho an’ ireo tiantsika isika, ary ny fitiavana manamaivana ny asa....

Mivelona miaraka amin’i Jesosy

Nomena antsika ny fiainana mba hanatanterahana ny zava­kendren’ Ilay Mpahary antsika eo amin’ ny fiainantsika, dia ny hiaina toa izay niainan’ i Jesosy. Izay tsy miaina toa izay niainan’ i Jesosy dia tsy miaina araka izay tokony ho izy (I Jao. 2 : 6). Izay tsy miara-miaina amin’ i Jesosy eto an-tany dia tsy afaka hiara-­miaina Aminy any an-danitra. « Ary...

Ry tanora, hotsarain’Andriamanitra izay manambady olona efa manan-tokantrano

Nataon’i Heroda tao an-tranomaizina Jaona Mpanao batisa noho ny famelivelezana ny fijangajangana ka nanaovany hoe : « Tsy ara-dalàna aminao ny manambady ny vadin’i Filipo rahalahinao » .Tezitra mafy Herodiasy satria tiany ny hitoetra amin’ny maha-vadin’ny mpanjaka azy, koa dia namelatra fandrika tamin’i Heroda izy mba hampanantenany azy ny lohan’i Jaona Mpanao batisa. Nampalahelo an’i Heroda izany zavatra izany, kanefa noho ny sain’i Heroda...

Sakano ny zanakao tsy hijangajanga

Faizin’ Andriamanitra ny ray aman-dreny matetika noho ny tsy fandrarany ny zanany tsy hijangajanga sy tsy hanaozava-betaveta ! Mpaminany sady mpisoronabe Ely, kanefa satria nahalala izy fa nandry tamin’ ireo vehivavy tonga tao amin’ ny tempoly mba hivavaka ny zanany lahy, izay efa tonga taona, ary na dia mba niteny an-janany ihany aza Ely,kanefa tsy nisakana azy tamin’ ny tsorakazo (I Sam. 2:22; I...

Ny fijangajangana sy ny voka-dratsy aterany 2

NY FAHOTANA IZAY MITARIKA FAHAFATESANA BETSAKANY FAHOTANA IZAY MAHATONGA NY FAHATEZERAN’ ANDRIAMANITRA. … tohiny Ny anankiray fahatelo dia ao amin’ ny (Gen. 20), raha nisy mpanjaka mpanompo sampy iray naka an’ i Saray, vadin’ i Abrama, noho ny hatsaran-tarehiny. Niseho tamin’iAbimeleka tamin’ny nofy nony alma Andriamanitra ka nanao hoe: « Indro, ho faty ianao (tsy hisy famindrampo mitondrafahasitranana mihitsy… fa dia fahafatesana) noho ny...

Ny fahaterahana indray

Ny fahatsapana ny famonjena azo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia lazaina koa hoe fahaterahan’ny fanahy. Ny tenan’i Jesosy no nampiditra io fampianarana io. “tonga tany amin’ny azy Izy, fa ny azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra , dia ireo izay mino ny Anarany: dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na...

Lalana ROA

“Midira amin’ny vavahady èty ianareo, fa lehibe ny vavahady, ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no miditra any. Fa èty ny vavahady, ary tery ny làlana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy” (Mat. 7 : 13-14) Lalana roa Iza amin’ireo no hofidianao? Teraka tamin’ny ota ny olona rehetra, sady manana toetra tia ota satria taranak’i...

Raha fantatra fa ho avy anio alina Jesosy

« Koa miomana kosa ianareo fa amin’ny ora tsy hampoizinareo no hiavian’ny Zanak’olona. »Matio. 24 : 44 RAHA FANTATRA FA HO AVY ANIO ALINA JESOSY ! Poa toy izay dia ho feno olona mivavaka ny fiangonana ; Ho foana ny trano fijerena sary mihetsika (sinema), ny toeram-pisotroana zava-mahamamo, ny toeram-pandihizana sy ny toeram-pilalaovana ary ny toeran-kafa tsy araka an’Andriamanitra ; Tsy hisy...