septembre 24, 2019

Ahoana no fomba hitehirizana ny Fitahiana 3 (tohiny)

2 — Tokony haka fotoana isika handinihana amin’ ny fanahy mivavaka ny Tenin’ Andriamanitra. Ny Tenin’ Andriamanitra no sakafon’ ny finoana. Mahazo faka lalina kokoa ny fiainana kristiana amin’ ny fitsentsefana kokoa ny fahalalana ny Tenin’ Andriamanitra. Ny mihinana ny Teny dia toy ny mamin-tantelin’ i Jonatana, ilay fitaovana mampahazava. Izao no baiko tamin’ i Ezekiela : « Ry zanak’ olona, hano ny horonan-taratasy ». Eze....

Ahoana no fomba hitehirizana ny Fitahiana 4 (tohiny)

Tsy ny fahamarinana rehetra tsy akory io, nefa misy faha­marinana lehibe eo ; Tsy mety misy fiainana ara-panahy sy faha­salamana ankoatra ny miasa ho an’ Andriamanitra sy ho an’ ny fa­nahin’ olona. Io no zava-miafin’ ny fitomboana sy ny fifaliana ara-panahy. Mitovy izay mitranga amin’ ny fahasoavana sy ny zava-boahary. Ny rano mihandrona dia manjary tsy mihetsika, nyolona tsy manao fanazaran-tena tonga...

Tsy maintsy miasa isika raha mbola antoandro ny andro

Hoy Andriamanitra, « Anaka, miasà any an-tanimboalo­boko … » Isika no vavolombelony. Izay no hany antony ametrahan’ Andriamanitra ny zanany eto amin’ izao tontolo izao, ho vavolom­belona sy fanasina amin’ ity izao tontolo izao mahantra ity. Mety hiteny ianao hoe : « Efa nanandrana aho nefa tsy rototra ny olona ». Eny, fantatra izany, nefa na dia izany aza, mpiambina ny rahala­hinao ianao. Tsy maintsy mampitandrina azy...

Ahoana no hiofanana ho amin’ny asan’Andriamanitra

Na iza na iza no maniry hiofana ho amin’ ny asan’ ny Tompo dia tokony hahatsapa fa ny fiainana anatiny manokana eo anatre­han’ Andriamanitra no fanoitra fototra ho amin’ ny fahombiazana sy fisondrotana ara-panahy. Liana kokoa Andriamanitra mijery ny fiainana iainantsika sy ny eritreritra sainintsika, ny fahamasi­nam-po sy fampiharana ny fahamarinana, raha atao indraim-bava, ny fiovantsika amin’ ny alalan’ ny Fanahy hitovy endrika...