septembre 26, 2019

Mitady Traducteurs

Ny Site Lalamasaka Hatry ny Ela dia mitady olona tsara sitrapo hanao traducteur en ligne (lahatsoratra amin’ny teny malagasy avadika teny anglisy; na anglisy sy frantsay avadika teny malagasy). Koa raha  terem-panahy ianao ka afaka hanome tanana dia iangaviana handefa ny numero téléphone sy adiresy mail-nao aty aminay na hiantso avy hatrany ny administrateur. Misaotra mialoha amin’ny tolo-tanana, Jereo Menu-Hifandray aminay

Mijoroa vavolombelona

Raha manana fijoroana vavolombelona ianao dia azonao atao ny manome voninahitra ny Tompo eto amin’ny Site hampaherezana ny namana rehetra. Mankanesa eo amin’ny Fifampizarana fijoroana vavolombelona eto ankavia

Localisation Satellite des Eglises Jesosy Mamonjy

Eo am-panaovana Mise à jour tsikelikely izahay mba hahitana avy hatrany ny Fiangonana Jesosy Mamonjy rehetra amin’ny alalan’ny Google Maps. Efa misy vitanay aloha ireto azontsika jerena (Mankanesa etsy ampita ankavian’ny page > klikeo ny Maps). Mba ho fanatsarantsika miaraka ity Sitentsika  ity anefa dia mangataka fiaraha-miasa aminareo izahay indrindra ianareo any amin’ny faritra; koa mifandraisa aminay avy hatrany hafahana...

Ry tanora, hotsarain’Andriamanitra izay manambady olona efa manan-tokantrano

Nataon’i Heroda tao an-tranomaizina Jaona Mpanao batisa noho ny famelivelezana ny fijangajangana ka nanaovany hoe : « Tsy ara-dalàna aminao ny manambady ny vadin’i Filipo rahalahinao » .Tezitra mafy Herodiasy satria tiany ny hitoetra amin’ny maha-vadin’ny mpanjaka azy, koa dia namelatra fandrika tamin’i Heroda izy mba hampanantenany azy ny lohan’i Jaona Mpanao batisa. Nampalahelo an’i Heroda izany zavatra izany, kanefa noho ny sain’i Heroda...

Sakano ny zanakao tsy hijangajanga

Faizin’ Andriamanitra ny ray aman-dreny matetika noho ny tsy fandrarany ny zanany tsy hijangajanga sy tsy hanaozava-betaveta ! Mpaminany sady mpisoronabe Ely, kanefa satria nahalala izy fa nandry tamin’ ireo vehivavy tonga tao amin’ ny tempoly mba hivavaka ny zanany lahy, izay efa tonga taona, ary na dia mba niteny an-janany ihany aza Ely,kanefa tsy nisakana azy tamin’ ny tsorakazo (I Sam. 2:22; I...

Ny fijangajangana sy ny voka-dratsy aterany 2

NY FAHOTANA IZAY MITARIKA FAHAFATESANA BETSAKANY FAHOTANA IZAY MAHATONGA NY FAHATEZERAN’ ANDRIAMANITRA. … tohiny Ny anankiray fahatelo dia ao amin’ ny (Gen. 20), raha nisy mpanjaka mpanompo sampy iray naka an’ i Saray, vadin’ i Abrama, noho ny hatsaran-tarehiny. Niseho tamin’iAbimeleka tamin’ny nofy nony alma Andriamanitra ka nanao hoe: « Indro, ho faty ianao (tsy hisy famindrampo mitondrafahasitranana mihitsy… fa dia fahafatesana) noho ny...

Ny fahaterahana indray

Ny fahatsapana ny famonjena azo amin’ny alalan’i Jesosy Kristy dia lazaina koa hoe fahaterahan’ny fanahy. Ny tenan’i Jesosy no nampiditra io fampianarana io. “tonga tany amin’ny azy Izy, fa ny azy tsy nandray Azy. Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’Andriamanitra , dia ireo izay mino ny Anarany: dia ireo izay tsy nateraky ny ra, na...

Loza ho an’ny fitafiana hafahafa

« Ary izao no hiseho amin’ny andro hanaovan’i Jehovah ny fanatitra, dia hovaliako ny lehibe sy ny zanaky ny mpanjaka mbamin’izay rehetra mitafy fitafiana hafa ».Zefania. 1 : 8. Efa nandinika lalina Andriamanitra ka manan-kolazaina tokoa ny amin’ny zavatra inian’ny ankabiazan’ny olona tsy jerena, izay mihevitra fa tsy miraharaha ny fomba fiankanjony Andriamanitra sady manala tsiny ny tenany amin’izany izy ireo ka...