septembre 25, 2019

Miara mandeha amin’Andriamanitra (tohiny)

Ny fiaraha-mandeha amin’ Andriamanitra dia mifono zava­tra telo fara-faharatsiny : 1°— FIARAHANA : Ity fahatsapana ity dia tenifikasan’ ny Tompontsika tamin’ ny mpianany (Jao. 14 : 21-24), ilay tsy azon’ i Joda raha niteny hoe :’Tompoko, nahoana no aminay ihany no isehoanao, fa tsy amin’ izao tontolo izao koa ? Mbola tsy azon’ izy ireo mihitsy io tamin’ izany fotoan’ andro...

Miara mandeha amin’Andriamanitra (tohiny 2)

2° — FIOMBONANA : Raha miresaka fananana fiombonana amin’ i Kristy isika, izay tiana holazaina dia fiombonam-po. Rehefa mifampiresaka isika dia fo mankamin’ ny fo. Ny fisakaizana akaiky sy fifanka­zarana dia fiaraha-mandeha ara-panahy. « Ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany ». I Jao. 1 : 3. Marina ilay fitenenana hoe : « Raha miara-mandeha amin’ Andriamanitra ianao,...

Miara mandeha amin’Andriamanitra (tohiny 3)

3° — FANDROSOANA : Tsy mihemotra na oviana na oviana Andriamanitra, ary raha miara-mandeha Aminy isika dia tsy hanao izany na oviana na oviana ! Ny fandehanana dia fihetsika mitovy sy miaraka, din­gana mifandimby, ka ny tsirairay dia mialoha ny teo aloha. Tsy fikoropahana tsy akory, na fitsambikinana, fa fandrosoana mato­tra miala amin’ ny toerana iray mankamin’ ny anankiray. Ireoizay miara-mandeha...

Fahamasinana sy Fakam-panahy

Mitsahatra ny ady ao anaty rehefa voadio ho afaka amin’ nyratsy ny fo. Ny ady amin’ ny nofo dia mifarana rehefa voaroaka avy ao amin’ ny fanahy izay rehetra fanoherana an’ Andriamanitra. KRISTY NO MANJAKA tsy misy mandrafy ! Misy anefa fahavalo hafa ankoatra ireo ao anaty, izay tokony hiadiantsika mafy mihitsy hatramin’ ny farany. « Isika tsy mitolona amin’ ny nofo aman-dra, fa...

Fahamasinana sy Fakam-panahy 2 (tohiny)

Avela ho tonga ny fitsapana noho ny antony. Ny faharesena tsirairay dia mamela antsika halemilemy kokoa hiatrika ny ady manaraka, fa ny fandresena tsirairay kosa mahatonga antsika ha­tanjaka kokoa. Ny fitsapana mandrakariva dia tonga amin’ ny faritra ma­lemy indrindra amin’ ny toetrantsika. Avelan’ Andriamanitra izany satria fantany fa mandresy isika rehefa mandresy ny fakam­panahy eo amin’ io faritra io ! Ny fandresena vaovao tsirairay...

Fanaka omem-boninahitra

Nisy mpanoratra iray fahiny niteny tamim-pahendrena hoe   :   ‘Misy sokajy roa ny kristiana. Miaina amin’ ny fiainana tsy misy rahoraho ny ankamaroany, manao asa soa betsaka, mitady ny mifady ny faharatsianalehibe,mamonjy fiangonana, nefa tsy miadyny ady mafy hanoherana tanteraka an’ izao tontolo izao, na koa manao ezaka goavana hampandroso nyfanjakan’ i Kristy ! Ireny olona ireny dia tsy mikendry fahamendrehana ara-panahy mano­kana,famionona fotsiny amin’...

Fanaka omem-boninahitra 3 (tohiny)

Ny hevitra fototry ny fanamasinana dia fisarahana. Mana­masina ny tenany ny olona iray rehefa manasaraka ny tenany tsy ho amin’ izay rehetra ratsy sy tsy madio, ka manokana ny fiainany manontoloho amin’ ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra ! Amin’ io hevitra io izy dia asa mazava ataon’ ny tena manokana. Milavo lefona eo anatrehan’   Andriamanitra amin’ ny fanoavana tanteraka izy. Ny filavoantsika...

Mahasoa ho an’ny Tompo

Ny Mahasoa ho an’ ny Tompo dia midika hoe « fahamen­drehana ». Ny hoe « mahasoa » dia ilay olona tena ilaina — mifanen­tana tsara amin’ ny zava-kendrena ilain’ ny Tompo hotanterahan’ ny olona. Raha te-hitarika rano madio avy any an-dohasaha ho ao amin’ ny fonenanao ianao, dia mitady tioba hampiasaina ho fan­tsona hikorianan ny rano… Fa zahanao tsara ireo ka hoy ianao   :  « IRETO tsy mendrika...