Ny fomba hanatonana ny Tenin’Andriamanitra
Tonga eo anatrehan’ny Tenin’Andriamanitra ianao, mba handre an’Andriamanitra MITENY AO AM-PONAO. Izay lazain’ANDRIAMANITRA ao amin’ny teniny dia aza avela hisy atao tsirambina, na hoe : « Natao ho an’ny hafa izany !». Aza diso anjara amin’ny fitahian’ANDRIAMANITRA amin’ny HITENENANY MIVANTANA AMINAO. Koa rehefa manatona ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia manatòna amin’ny fisainana te hanaja, mba hihaino tsara IZAY LAZAIN’NY RAINTSIKA avy any an-danitra...