MA Daoud

Ny Fomba hamonjena anao

Ny famonjena Ny famonjena no foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny tantaran’ny Filazantsara, ary izy no hafatra lehibe indrindra nampitondraina ho an’ny olona. Taon-jato maro talohan’ny nahatongavan’ny Mesia no efa naminanian’i Isaia ny hiaviany ka nanaovany hoe: “Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo” (Isa.35:4). Raha nanambara ny hahaterahany ny anjelin’Andriamanitra dia nilaza ny momba an’i Maria tamin’i Josefa hoe:...

Mampitandrema raha tsy te ho very

Vakio ny Oha. 24 : 11, 12 : « Raha mihirim-belona tsy hana­faka izay entina hovonoina ianao, sy ireo efa ho mby eo am-pamo­noana ; Raha hoy ianao : « Indro, tsy mahalala izany izahay, moa Izay mandanja ny fo tsy hihevitra izany va ? Ary izay mandinika ny fanahinao, tsy hahalala izany va ? Tsy hovaliana araka ny ataony avy va...

Aoka halemy fanahy amin’ny namanareo ianareo

Na izany aza, manana ny fahasoavan’andrimanitra izay mahatonga ny olona hiasa amin’ny fahatsaram-panahy eo anatrehan’ny zava-tsarotra mitranga rehetra. Amin’ny alalan’ny fahamoram-panahy vokatry ny fahasoavana no tena hisehoan’ny fiainam-panahy marina. Ny fitiavana, ny fahatsaram-panahy, ny famelan-keloka no hanehoana ny fitenin’ny lanitra. Hoy kristy: “izao no ahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo raha mifankatia”. Jao.13:35. Katsaho ao amin’andriamanitra ny fahasoavana fahalemem-panahy. Raha...

Ny fomba hanatonana ny Tenin’Andriamanitra

Tonga eo anatrehan’ny Tenin’Andriamanitra ianao, mba handre an’Andriamanitra MITENY AO AM-PONAO. Izay lazain’ANDRIAMANITRA ao amin’ny teniny dia aza avela hisy atao tsirambina, na hoe : « Natao ho an’ny hafa izany !». Aza diso anjara amin’ny fitahian’ANDRIAMANITRA amin’ny HITENENANY MIVANTANA AMINAO. Koa rehefa manatona ny Tenin’Andriamanitra ianao, dia manatòna amin’ny fisainana te hanaja, mba hihaino tsara IZAY LAZAIN’NY RAINTSIKA avy any an-danitra...

Ny Batisan’ny rano

ARAKA NY NAMPIANARAN’I JESOSY SY NY NANAOVANY AZY NY SAKRAMENTAN’NY FIANGONANA Misy Sakramenta anankiroa izay nandidian’i Jesosy Kristy Tompo ary tena ilaina mihintsy izy ireo satria didy avy amin’Andriamanitra. Ireto avy izy ireo : ny BATISAN’NY RANO sy ny FANASAN’NY TOMPO Noho ny fananany toetra masina no iantsoana azy hoe : Sakramenta ( “zavatra masina” raha adika ara – bakiteny). Atao...

Azonao atao ny ho voavonjy amin’izao androm-pahavelomana izao

Ny famonjena Ny famonjena no foto-kevitra lehibe indrindra ao amin’ny tantaran’ny filazantsara, ary izy no hafatra lehibe indrindra nampitondraina ho an’ny olona. Taon-jato maro talohan’ny nahatongavan’ny Mesia no efa naminanian’i isaia ny hiaviany ka nanaovany hoe: “Izy tokoa no ho avy ka hamonjy anareo” (Isa.35:4). Raha nanambara ny haterahany ny anjelin’Andriamanitra dia nilaza ny momba an’i Maria tamin’i Josefa hoe:...

Fitsipika lehibe tokony harahina mialohan’ny hampianarana ny Tenin’Andriamanitra

Ny hoe : AMPITAHAO amin’ny SORATRA MASINA ny Soratra Masina dia izao, izy izany no fitsipika lehibe indrindra. 1 — Ampitahao ary ny Soratra Masina rehetra mikasika ny lohateny iray itovizana. AZA MANANGANA foto-pampianarana avy amin’ny andininy iray na roa, kanefa tsy noraisinao avokoa ny andininy rehetra mikasika io lohateny iraisana io. 2 — JEREO, inona no antony nanoratan’ilay mpanoratra ny anjarany...

Iza moa ireo hendry

Ny adala dia izay olona mandre ny tenin’ i Jesosy, nefa tsy mety manatanteraka izany. Soritan’ i Jesosy fa ny olona toy izany dia manorina eo ambony fasika, ary ny tambiny amin’ ny farany dia faharavana mandrakizay. Ny olona HENDRY kosa dia izay mandre ny tenin’ i Jesosy ka manatanteraka izany. Soritana ho toy ny olona manorina eo ambony vatolampy...