« Izao no lazain’i Jehovah: Mijanòna eo an-dàlana ianareo ka izahao, ary anontanio izay Lalana Masaka Hatry ny Ela, dia izay làlana tsara, ka iny no izory, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo. » Jeremia 6:16 

Fanaka omem-boninahitra 3 (tohiny)

Ny hevitra fototry ny fanamasinana dia fisarahana. Mana­masina ny tenany ny olona iray rehefa manasaraka ny tenany tsy ho amin’ izay rehetra ratsy sy tsy madio, ka manokana ny fiainany manontoloho amin’ ny fanaovana ny sitrapon’ Andriamanitra ! Amin’ io hevitra io izy dia asa mazava ataon’ ny tena manokana. Milavo lefona eo anatrehan’   Andriamanitra amin’ ny fanoavana tanteraka izy. Ny filavoantsika...

Mahasoa ho an’ny Tompo

Ny Mahasoa ho an’ ny Tompo dia midika hoe « fahamen­drehana ». Ny hoe « mahasoa » dia ilay olona tena ilaina — mifanen­tana tsara amin’ ny zava-kendrena ilain’ ny Tompo hotanterahan’ ny olona. Raha te-hitarika rano madio avy any an-dohasaha ho ao amin’ ny fonenanao ianao, dia mitady tioba hampiasaina ho fan­tsona hikorianan ny rano… Fa zahanao tsara ireo ka hoy ianao   :  « IRETO tsy mendrika...

Mahasoa ho an’ny Tompo 2 (tohiny)

Ny fahamasinana sy ny hoe mahasoa dia mifampiankina. Mety misy maningana nefa izao no fitsipika   :   Izay hamasinin’ Andriamanitra ho amin’ ny asany dia homeny voninahitra amin’ ny fahombiazana ! Tsy ny saina tsy akory, na dia mamiratra aza izany, tsy ny fahaizan-javatra manokana, na dia mahafinaritra aza izany, tsy ny fahaiza-mandahateny na dia manintona aza, no ma­hatanteraka ny tsara...

Fitaovana ampiasain’Andriamanitra (tohiny)

MILA ANAO NY TOMPO. Tsy misy fahamarinana ara-pa­nahy sy mifono zava-miafina ohatra ny hoe Kristy lohantsika dia tena miankina tanteraka amin’ ny momba ny tenany mba haha­tanteraka ny tarigetram-pamindrampony eo amin’ izao tontolo izao mihalevona ! Ny fandraisana anjara amin’ ny asam-pamonjena ataony no satroboninahitra sy voninahitra ambony indrindra azon’ ny kristiana rehetra irina fatratra ! Mba te-ho vonona amin’ ny fi­tahiana sy...

Ahoana no fomba hitehirizana ny Fitahiana

Tsy misy dingana eo amin’ ny fiainana kristiana izay tsy raisin’ Andriamanitra sy ny olona miaraka. Hatramin’ ny voalohany ka hatramin’ ny farany eo amin’ ny asam-pamonjena, dia tsy maintsy misy asa avy amin’ Andriamanitra sy ny olona. Ny teny hoe MITAHIRY sy MIKIKITRA, dia saika tena mitovy hany ka mety mifangaro ny fanononana azy. Raha te-ho voatahiry isika dia tsy maintsy mikikitra !...

Ahoana no fomba hitehirizana ny Fitahiana 2 (tohiny)

Soso-kevitra vitsivitsy ny amin’ ny fomba hanaovantsika izany no hamonjy ny maro tsy ho amin’ ny fahalavoana ara-panahy. 1 — Tsy maintsy mandeha amin’ ny mazava isika… Ny fano­loran-tenantsika dia tokony hiaraka amin’ ny faritra miha-mala­laky ny fahazavana. Raha mitombo amin’ ny fahasoavana isika kamiakatra ambonimbony kokoa amin’ ny fiainana kristiana, dia manana fahitana mazava kokoa isika, fahatsapana velona kokoa,...

Ahoana no fomba hitehirizana ny Fitahiana 3 (tohiny)

2 — Tokony haka fotoana isika handinihana amin’ ny fanahy mivavaka ny Tenin’ Andriamanitra. Ny Tenin’ Andriamanitra no sakafon’ ny finoana. Mahazo faka lalina kokoa ny fiainana kristiana amin’ ny fitsentsefana kokoa ny fahalalana ny Tenin’ Andriamanitra. Ny mihinana ny Teny dia toy ny mamin-tantelin’ i Jonatana, ilay fitaovana mampahazava. Izao no baiko tamin’ i Ezekiela : « Ry zanak’ olona, hano ny horonan-taratasy ». Eze....

Ahoana no fomba hitehirizana ny Fitahiana 4 (tohiny)

Tsy ny fahamarinana rehetra tsy akory io, nefa misy faha­marinana lehibe eo ; Tsy mety misy fiainana ara-panahy sy faha­salamana ankoatra ny miasa ho an’ Andriamanitra sy ho an’ ny fa­nahin’ olona. Io no zava-miafin’ ny fitomboana sy ny fifaliana ara-panahy. Mitovy izay mitranga amin’ ny fahasoavana sy ny zava-boahary. Ny rano mihandrona dia manjary tsy mihetsika, nyolona tsy manao fanazaran-tena tonga...