novembre 2019

Moa ve ny Kristiana afaka mivelona tsy misy ota? (tohiny)

Izay dika ankapoben’ ny hoe : MANOTA ao amin’ ny Testamenta Vaovao dia fandikàna an-tsitrapo sy amin’ ny fahala­lana ny lalàna izay fantatra. Ny fahatsontsana, fahalemena sy fahadisoana tsy nahy dia tsy azo sorohana raha mbola eto amin’ ny nofo isika. Ny fahotana kosa dia azo sorohana amin’ ny alalan’ ny hery fiarovan’ i Kristy mandritra ny ora mifandimby eo amin’ ny fiainam-baovao...

Fahagagana sy Misiona – 003

FIZARANA voalohany IREO NOSY … tohiny “Tsy fahazakana ranomasina” (mal de mer ) Roa andro izay no lasa ary narary tsy nahazaka “mal de mer” i Sadie sy Mary. Milaza anefa ny Tenin’Andriamanitra hoe : « Misy marary va eo aminareo? . . . . aoka izy hivavaka ho azy, ary hanosotra diloilo azy amin’ny anaran’ny Tompo (eto aloa dia tsy haiko...

Fahagagana sy Misiona – 007

… tohiny FIZARANA Faharoa PÔRTÔ RIKÔ Fiandohan’ny tena fiainana Nanomboka nanery sy nanetsika ny foko indray ny taraina sy tomanin’ireo fanahy izay hitako tany amin’ireo Nosy maro izay efa notsidihako, fotoana vitsy taorian’ny nahatongavako tany an-trano. Nivavaka sy nangataka tamin’Andriamanitra aho mba hiasako sy hiverenako hitoriteny any amin’izy ireo indray. Tanora telo avy ao St Louis no niaraka tamiko tamin’ity...

Jesosy Mpanasitrana sy Mpamonjy

Lany tamin’ny fanasitranana ny marary sy famelana ny heloky ny mpanota ny telo taona tamin’ny andron’i Jesosy. Dia tonga ilay fotoana lehibe izay nahatonga Azy ho Mpisolo ny olona. Tsy maintsy nalana avokoa ny ota sy ny aretina, kanefa alohan’ny hahafahana izany ara-drariny dia tsy maintsy naloa aloha ny tambin’izy roa. Jesosy Kristy irery ihany, Ilay tsy nanota sy tsy...

Fahagagana sy Misiona – 004

FIZARANA voalohany IREO NOSY … tohiny Nahazo trano fiangonana Nisy vehivavy metôdista iray nifanena tamin’ireo tanora zazalahy niaraka taminay teny an-dalana telo andro taorian’ny nahatongavanay tao St Thomas. Nanasa anay izy hanao asa fifohazam-panahy ao amin’ny toerana iray ampianarany Sekoly alahady izay misy seza dimy sy roanjato, “piano” iray, ôrga iray, ary “ventilateur” iray, sy jiro maro be eny amin’ny...

Ny Ran’ny Zanak’ondry

Mialoha ny nanafahan’Andriamanitra ny Israely tamin’ny fanandevozana tany Egypta dia tokony hatoky ilay MPAMONJY IZAY HO AVY (Jesosy Kristy) ny isan-tokantrano mba hanafahana azy ho afaka amin’ny otany. Raha vao nanota voalohany Adama sy Eva, dia voatery nanome ny Zanany Lahitokana Andriamanitra mba hisolo azy noho ny otany. Mandra-pahaterak’i Jesosy, ny olo-masina rehetra tao amin’ny Testamenta Taloha dia tsy maintsy...

Toy izao no tena FIFOHAZANA

Rehefa ny olona eny amin’ny arabe no matahotra ny hiloa-bava hamoaka teny manohitra an’Andriamanitra fandrao hianjeran’ny FITSARAN’ANDRIAMANITRA ; REHEFA NY MPANOTA ampangorohoroan’ny FANATREHAN’ANDRIAMANITRA, mangovitra eny an’arabe ka mitalaho famindrampo ; rehefa mifofofofo mamaky vohitra sy ny tanana ny hery tsy TAKATR’OLOMBELONA « FANAHY MASINA », ka mahazo mafy ny olona amin’ny fiaikena mampivarahontsana, na dia tsy nisy FIVORIANA manokana na FAMPIELEZANA akory aza...

Miverena any Betela 002

TOKO VOALOHANY MIVERENA ANY BETELA Mba ahazoanay manolotra ny hafatra ho anao izao maraina izao, ka ahafahanao mandre ny feon’ ny Fanahy Masina dia ilaina ny hamakiana ireto andalan-tSoratra Masina roa ireto, satria ho raisintsika ny fiainan’ i Jakoba mba ho sary azo ampiharina amin’ ny fiainan’ ny kristiana maro. Noho izany, dia ilaina ny mahalala ny tantara hatramin’ ny voalohany ka hatramin’...