Fahagagana sy Misiona

Fahagagana sy misiona – 009

FIZARANA Faharoa PÔRTÔ RIKÔ … tohiny Fanambadiana faobe Anisan’ny zava-dehibe iray nitranga nandritra ny fihaonana tao Fajardo ny fitahiana noraisin’ny tokantrano maro. Nanao tokantrano maso nandritra ny taona maro izy ireo kanefa tonga tao am-piangonana izy mba hanao fanambadiana faobe. Mpitandrina maro no nanamasina izany. Tena asa mahafinaritra tokoa izany, nihira, nivavaka ary namaky teny izahay, ary ny anadahy Garcia...

Fahagagana sy misiona – 011

FIZARANA Faharoa … tohiny  FIJOROANA VAVOLOMBELONA AVY ANY AMIN’IREO NOSY Tsy nilaina akory ny fandidiana ilay fivontosana Rahalahy Serafin : “Manoratra izao taratasy izao aho mba hisaoraka an’Andriamanitra satria sitrana tanteraka aho rehefa namonjy ireny fitorianteny ankalamanja ireny rehefa nampahorian’ny aretin’ny voa (reins) sy fivontosana tao amin’ny vavoniko. Tokony ho tamin’ny fahenina ambinifolon’ity volana ity no fotoana handidiana ahy ;...

Fahagagana sy misiona – 012

… tohiny FIZARANA Fahatelo EGYPTA Ny feon’Andriamanitra sy ny fitoriana ny fanasitranana Voafetra tamin’ny alalan’ireo boky kely tany an-tsekoly ihany ny fahalalako an’i Egypta, ary tsy nisy olona nanasa ahy mba ho tonga any. Maro ireo mpitandrina sy namana nieritreritra fa mampanahy ihany hoe amin’ny fomba ahoana no hahazoako vola hitoriana Filazantsara any Egypta. Noho izany indrindra, tsy mba nanome...

Fahagagana sy Misiona – 001

FAHAGAGANA SY MISIONA ary Asa Fitoriana FILAZANTSARA maneran-tany TENY FAMPIDIRANA Nahazo aingam-panahy ny mpanoratra hanatontosa ity boky ity, izay vokatry ny fifaninanana lehibe noho ireo famantarana maro fa efa mby akaiky ny farany, ary nahatsapa koa izy fa mbola maro ny hetsika tokony hatao mba hitoriana ny Filazantsara any amin’ny toerana izay mbola tsy nandre izany mihitsy, ka miandry ny...

Fahagagana sy misiona – 013

FIZARANA Fahatelo Fahataram-potoana sy ireo Fifohazam-panahy Nanana vola hatao saran-dalnaa aho saingy tsy mba nanana nihoatra toy ny vahiny rehetra alohan’ny hidirany ao amin’ny firenen-kafa. Noho izany indrindra, nanaiky ny fanasan’ny Fiangonana pôrtôrikana ao New York City aho ary nitahy ny fivoriana rehetra natao tao tokoa Andriamanitra tamin’ny alalan’ny famonjeny fanahin’olona sy fahagagana maro. Tsy dia betsaka loatra raha ny...

Fahagagana sy misiona – 015

FIZARANA fahatelo … tohiny  SOMBINY NOTSOAHANA TAO AMIN’NY DIARIKO Tamin’ny Alahady 16 Marsa 1952, Minieh Egypta : tamin’ny 7 ora hariva no nanomboka ny fotoam-pivavahana voalohany, ary feno hosotr’Andriamanitra tokoa ny toriteny nataon’ny anadahy Sabry, izy moa no nandika teny tamin’ny fiteny arabo. Olona maro no voavonjy. Nisy zazavavy iray nanatona ary nandray ny tanako, rehefa nifarana ny fotoana. Nidina...

Fahagagana sy misiona – 016

FIZARANA fahatelo SOMBINY NOTSOAHANA TAO AMIN’NY DIARIKO … tohiny 30 Marsa : fitorian-teny telo no natao : feno hipoka ny fiangonana. Moana-marenina telo no sitrana. Vehivavy iray tena narary, nentina tao amin’ny fivoriana tamin’ny alahady lasa…. sitrana sady matanjaka tsara ankehitriny. Maro be ihany koa no sitrana. 2 Aprily : fivoriana voalohany natao tao amin’ny trano fijerena sarimihetsika : valonjato...

Fahagagana sy misiona – 017

FIZARANA fahatelo… tohiny Tatitra momba ny fitoriana Filazantsara, nosoratan’ny rahavavy Dean “ Tsy mora ny milaza ny zavatra rehetra nataon’ny Tompo nandritra ny andro niarahanay tamin’ny rahavavy Jane Collins fa izao ihany no zavatra azoko antoka : faly tanteraka ny olona ary mbola tsy nahita fifaliana toy izany teo amin’ny fiainany izy ireo hatrizay, ary mbola manantena fitsidihana hafa indray...